Ezaka maharitra ny fiezahana ho lavorary. Faniriantsika olombelona rehetra, indrindra fa ho antsika kristianina ny ho lavorary ary ny hahatongavana amin’izany no mahatonga antsika samy manao ezaka isanandro, indrindra amin’izao karemy izao. Fandinihana masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb
Hankalaza ny faha-30 taona nijoroana ny Foibe FAFIALA amin'ity taona ity. Hotanterahana any amin'ny volana jolay na volana aogositra 2022 ny ivon'ny fankalazana raha toa ka ny volana avrily izao no saika hanatanterahana azy.
Ny fampitana ny fanabeazana am-pitiavana no antoky ny fahombiazana. Eo anivon'ny fianakaviana no ianarana sy iainana voalohany ny fitiavana. Mitondra hafaliana sy zavatra miabo mandrakariva ny fitiavana.
Manentana an'ireo fanantenana eto an-tany izay miandrandra ilay "fanantenana lehibe" dia ny fiainana mandrakizay ny fitsanganan'i Kristy ho velona ary mampiditra sahady ao amin'ny ankehitriny ny tsimoky ny famonjena. Manoloana ireo fahadisoam-panantenana vokatry ny karazana nofinofy maro. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco