Hankalaza ny faha-30 taona nijoroana ny Foibe FAFIALA amin'ity taona ity. Hotanterahana any amin'ny volana jolay na volana aogositra 2022 ny ivon'ny fankalazana raha toa ka ny volana avrily izao no saika hanatanterahana azy.

Ny volana mey ho avy izao no hanaovana ny hetsi-panokafana ka amin'ny alalan'ny fampisehoana ny sehatr'asan'izy ireo no hanehoana izany eny amin'ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, distrika Antananarivo-Avaradrano.

Ny firongatry ny valan'aretina Covid-19 andiany fahatelo sy ny rivodoza nifanesy, ao anatin'ny fanomanana ny fankalazana no isan'ny antony nanemorana ny fandaharam-potoana hankalazana ny faha-30 taonan'ny Foibe FAFIALA hoy Andriamatoa Raveloarijaona Nonat, Tale Mpanatanteraka. Na izany aza efa tontosa hatrany amin'ny 80% ny fanomanana amin'izao fotoana izao.

Nitondra anjara biriky lehibe tamin'ny asa fampivoarana ny seha-pamokarana teny ambanivohitra ny Foibe FAFIALA, nandritra ny 30 taona nijoroany. Mifototra amin'ny fikarohana sy fampandrosoana, fampiofanana ary tohana ara-kevitra ny sehatr'asany hatramin'izay ka hatramin'izao.

Maherin'ny 6.000 moa ny tantsaha, ny teknisiana, ny tompon'andraikitra tany amin'ny fikambanana samihafa no nofanin'ny Foibe FAFIALA hanabe voa ny famokarana ilofosany nandritra ny taona maro. Fiofanana niompana tamin'ny famokarana miaro ny tontolo iainana sy fampivoarana ny eny ambanivohitra.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...