Ezaka maharitra ny fiezahana ho lavorary. Faniriantsika olombelona rehetra, indrindra fa ho antsika kristianina ny ho lavorary ary ny hahatongavana amin’izany no mahatonga antsika samy manao ezaka isanandro, indrindra amin’izao karemy izao. Fandinihana masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb

Samy manao izay tratry ny aina isika mba ho lavorary.Matetika anefa dia toy ny hoe tsy hitatsika ny akon’ireny fiovana sy ny vokatry ny ezaka ataontsika. Tsy tokony ho kivy amin’izany anefa isika fa aoka hanohy mandrakariva izay ezaka efa natao satria tsy mba indray andro na koa hoe iray taona fa ny fiainantsika manontolo eto an-tany izay tandindon’ny 40 andro ankalazantsika ny karemy no natokana hiezahana sy hikatsahana ny fahamasinana. Ezaka maharitra izany ity fahamasinana ity ka ny ilaina dia isika vonona isanandro hanomboka ary hanohy ny ezaka efa natao; miaina isanandro ary manantanteraka ireo fikasana tsara efa natomboka; tsy mitolefika fa miarina mandrakariva raha sendra lavo eny an-dalana; ary aoka tsy handeha irery fa hiaraka amin’Andriamanitra sy hiaraka amin’ny namana. Satria ny fahasoavan’Andriamanitra dia sady mitarika antsika ho lavorary no manampy hery antsika hanana faharetana. Ary miaraka amin’ny namana satria ho voasariky ny ezaka ataontsika izy ireny ary koa hery ho antsika ny miaraka miezaka aminy.

Ry Andriamanitra Andriananahary Babanay o, sitrakao ho lavorary toa anao Rainay izahay zanakao; koa apetrakay eo am-pelatananao ny ezaka ifanohatohananay mba hahatongavanay haingana amin’izany fahalavorariana izany ka higohanay sahady ilay hasambarana mandrakizay. Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...