Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny tantsaha mivondrona ao amin’ny fikambanana MIARA-MIZOTRA ao amin’nydistrikan’Ambatoboeny ankehitriny. Miatraika amin’ny famokaran’ny tantsaha any amin’iny faritra Boeny iny mantsy ny
fiovan’ny toetr’andro misy ankehitriny. Azo atao tsara nefa ny miatrika izany amin'ny fampiasàna ireo tekinika fambolena miaro ny tontolo iainana na ny Agroécologies. Zavatra maro no tombony azo avy amin'ny fampiharana azy io dia ny nofon-tany maharitra sy mihatsara hatrany, vokatra mahasalàma, maharitra vao simba rehefa tahirizina. Antony nahatonga ny fikambanana “MIARA-MIZOTRA” ifototra bebe kokoa amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo....
Ao anatin’ny toe-draharaha voamariky ny krizy politika sy ara-tsosialy lalina, ny fandaharana EVA amin’ny 02 Oktobra 2025 dia mikendry ny handalina ireo olana lehibe mifandraika amin’ny asa mendrika eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny adihevitra sy fifanakalozana eo amin’ny sendikà sy ny mpisehatra amin’ny fiaraha-monim-pirenena, entina hanehoana amin’ny fomba mazava ny zava-misy eny ifotony, ireo sakana ara-drafitra sy ara-pitondrantena izay manakana ny fametrahana asa manaja ny maha-olombelona, indrindra ho an’ny tanora eto Madagasikara... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Nifanipa-kevitra ireo Solombavam-bahoaka, momba ny raharaham-pirenena. Nilaza ny hisokatra amin'ny hery rehetra ireo depiote manohana ny fitondrana, amin'ny fanendrena ny Praiminisitra. Nitsipaka izany ny mpanohitra... • Tafajoro androany ny Komity Mpandrindra ny Tolona, hitarika ny fitakiana an-dalambe nisy tato anatin'ny herinandro. Mangataka ny hanokafana ny Kianjan'ny 13 mey ireo mpanakanto sasany... • Tsy manao afa-tsy fiandrasan-draharaha ireo mpiasan'ny fahaslamana anatin'ny sendika TRIADE, amin'izao. Roa andro androany izy ireo no nanao “sit in” eny anoloan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka Ambohidahy...
• Tafiditra tao Ambohijatovo androany tolakandro ny mpanao fihetsiketsehana. Naparitaky ny mpitandro ny filaminana anefa izy ireo avy eo... • Nozimbazimbain'ny mpitandro ny filaminana indray ny asa fanaovan-gazety androany. Fanahiniana nopotehana ny fitaovana nampiasain'ny mpanao gazety sasany teny an-kianja io takariva io... • Nisokatra ofisialy tamin'ny 7 marsa 2025 teo ny famotorana ireo tompon'andraiki-panjakana ambony, nandika ny Lalam-panorenan'ny Repoblika Fahefatra, manan-kery amin'izao fotoana izao, hoy Andriamatoa Razafimandimby José, Filohan'ny Fikambanana Fiverenana Andoharano...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco