• Tanora miisa 460 avy amin'ny Paroasy Katedraly Morombe sy ny Distrika Avaradrova no nanatanteraka ny fivahiniana masina nandritra ny telo andro tany Akilivalo Ankida... • Hiatrika lasy fiofanana ny 22 hatramin'ny 26 avrily ny Fanilon'i Madagasikara... • Manentana antsika hiaina ao anatin'ny fahanginana, amin'izao herinandro masina izao, ny Papa François...
Miteraka resabe eto amin’ny firenena ankehitriny ny handraisantsika ny fihaonana an-tampony ho an’ireo firenena mivondrona ao amin’ny COI na ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana, ny 24 avrily izao, ka hahatongavan’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron eto amintsika. Misy ny mankasitraka izany, izay milaza fa voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara, ary hitondra tombontsoa ara-toekarena ho antsika ny fandraisana azy io; ao indray koa ireo milaza fa fanindrahindrana ny frantsay, ary fanjanahana amin’ny endriny vaovao no hahatongavan’ny Filoha Frantsay eto. Marihina fa ho avy eto koa ireo Filoha amin’ireo nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana, kanefa dia toa anarana iray ihany no averimberina amin’ireo vahiny ho avy. Misy antony ve?
14 aprily — I Maxime dia martiry romana niaraka tamin'i Tiburce sy i Valérien. Préfét romana tamin'ny andro nanjakan'i Marc Aurèle izy. Raha izy nirahana hanapa-doha an'i Tiburce sy i Valérien, dia teo no nahatsapany ilay antson'Andriamanitra ka nibebaka izy.
Ny fianakaviana iray dia tokony hiaina ny fitiavana sy ny fifanajana. Ny Didy fahaefatra amin'ny Didin'Andriamanitra, voalohany misy teny fampanantenana "Manajà ny ray aman-dreninao mba ho ela velona ianao". Ny Soatoavina Malagasy dia tsara amin'ny lafiny fifanajàna ka tokony hiainana hatrany. Ny fankatoavana ny ray aman-dreny dia zava-dehibe anefa ilaina ihany koa ny fifanankalozan-kevitra amin'ny fianakaviana manoloana fanapahan-kevitra, indrindra rehefa hiroso amin'ny fanambadiana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco