Miteraka resabe eto amin’ny firenena ankehitriny ny handraisantsika ny fihaonana an-tampony ho an’ireo firenena mivondrona ao amin’ny COI na ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana, ny 24 avrily izao, ka hahatongavan’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron eto amintsika. Misy ny mankasitraka izany, izay milaza fa voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara, ary hitondra tombontsoa ara-toekarena ho antsika ny fandraisana azy io; ao indray koa ireo milaza fa fanindrahindrana ny frantsay, ary fanjanahana amin’ny endriny vaovao no hahatongavan’ny Filoha Frantsay eto. Marihina fa ho avy eto koa ireo Filoha amin’ireo nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana, kanefa dia toa anarana iray ihany no averimberina amin’ireo vahiny ho avy. Misy antony ve?

Avelantsika eo ny amin’iny ady hevitra tsy mety tapitra iny, fa ndeha hirosoana ny fiomanana amin’ny fandraisana izany fivoriana iraisam-pirenena izany. Tena ataon’ny mpitondra ankehitriny laharam-pahamehana ny fandraisana ny fivorian’ny COI. Tena atao ambony mihitsy aza, hoy ny feon’ny olom-pirenena sasany, raha oharina amin’izay fijerena ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy. Dia lasa endrika ivelany no miseho, fa takona ny andavan’androm-piainan’ny vahoaka Malagasy. Nakisaka ireo mpatory eny an-dalana, navaozina izay rehetra hitan’ny maso, toy ny Arcade eo Analakely, nolokoina avokoa. Navaozina tanteraka ireo lalana ho lalovan’ny vahiny: toy ny eny Anosy, Mahamasina, eny Akorondrano, indrindra ny eo Analakely izay notrongisina mihitsy ny lalana teo aloha, na dia azo lazaina fa mbola tsara tsy nisy lavadavaka loatra aza, ka lasa arabe tena manara-penitra ny eo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena ankehitriny. Hetsehina daholo ny mpiasan’ny Kaominin’Antananrivo Renivohitra sy ny mpiasan’ny ministera isan-tsokajiny hanadio ny tanàna.

Lasa ihany ny eritreritry ny maro nozohin’ny Arofanina hoe: Kay mahita vahaolana haingana ary misy ny teti-bola hanavaozana ireny foto-drafitrasa iombonana ary tena ilaim-bahoaka ireny rehefa handray vahiny isika. Fa rehefa ny vahoaka no manao antso, toa zary antso an’efitra tsy misy manohina izany? Firifiry tokoa moa hatramin’izay ny hiakiakan’ny maro fa rehefa mila fanamboarana ny lalana dia alohan’ny vanim-potoanan’ny orana. Fa dia eee, tahaka ny hoe fanahiniana, ao anaty fahavaratra foana matetika vao misy fanamboarana. Fa mahagaga rehefa ho avy ny vahiny, tena atao mialoha be mihitsy ny fanamboamboarina etsy sy eroa.

Tsy vao sambany izao fa rehefa mandray fivoriana iraisam-pirenena isika vao hihazakazahana ny manavao sy manatsara fotodrafir’asa. Izany tokoa angamba ilay fomba Malagasy malaza eran-tany hoe: “mahay mandray vahiny”. Ekena fa tsy ratsy izany soatoavina izany, fa indraindray toa lasa fihatsaram-belatsihy no hanaovantsika an’izany. Misy vahiny ho avy vao sasana madio ny trano, diovina ny tokontany, sokirina ny maloto rehetra any ambany farafara any. Ity no tonga amin’ilay tononkiran’ny mpanakanto iray izay hoe: “Fafao ny tokontany fa ho tonga vahiny e!” Fa rehefa tsy misy vahiny kay dia tsy atao izany. Tsy lavina ihany koa ny oha-pitenenantsika Malagasy manao hoe: “sao lasa mpifosa vao mifafa trano”, sy ny hoe: “aza aseho ny vahiny ny lamba malotonao”, ary eo koa ny hoe “ny tokantrano tsy ahahaka”. Marina daholo izany rehetra izany. Ilaina ny manaja vahiny, saingy tsy tokony atao ambanin-javatra ny vahoaka Malagasy, izay sempotry ny fahantrana lalina…

Tsara ny miasa sy manavao fotodrafitr’asa, ary anjara andraikitry ny mpitondra fanjakana izany amin’ny maha mpanompon’ny vahoaka azy, fa tsy ho tompoina, saingy tsy tokony ho ny fiarovana ny tombontsoan’ny vahiny no hanaovana an’izany, fa mba ho fitsinjovana ny Malagasy tompon-trano, na ny marina kokoa tompon-tany, raha mbola tompony koa. Mbola resaka hafa indray iny e. Fa izao kosa aloha e: tsy tokony noho ny henatra handray vahiny no hamboarana ny lalana, sy hanatsarana ny trano manamorona ny Araben’ny Fahaleovantena sy ny manodidina ary eny amin’ny toerana izay heverina handalovan’ny vahiny. Fa inona tokoa moa no tokony hahamenatra e? Inona no anafenana ny zava-misy iainan’ny vahoaka Malagasy?

Ny mahagaga ihany koa dia ireo lalana ao afovoan-tanana ao an-drenivohitra no tena atao tsara, fa ny mivoaka ny renivohitra toa atao zara fa vita. Misy amin’ireo lalana ireo anefa efa mitriatra sy vakivaky ka tokony hendahina ary amboarina tanteraka, kanefa tsy araka izay ny zava-misy. Ny eny amin’ny 67 Ha Vatobe iny ohatra, azo heverina fa tsy handalovan’ny vahiny, dia tena efa ratsy tokoa. Efa nisy fanamboarana ihany teo aloha, fa dia simba sahady e. Natao ankamehana fotsiny ve sa tena zara fa vita ny fanamboarana azy. Hoy ny vazivazin’ny mpandeha fiara fitateram-bahoaka hoe efa mitsimoka sahady marina ireo vatobe novolena teto ampovoan’arabe.

Ny mampametram-panontaniana ny maro dia ny hoe: ahoana ny ho tohiny rehefa lasa ny vahiny avy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana? Hitohy ve ny fanamboarana sy fikojakojana ny lalana? Mbola hiharihary ve ny fanamafisana ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana sa handalo fotsiny? Sao sanatria lahy rehefa dila ny 23 sy 24 aprily handalovan’ny vahiny eto dia hiverina indray ny gaboraraka! Vazivazin’ny olompirenena eny amin’ny fiarahamonina eny ny hoe: “tsy aleo ve isika Malagasy mandray vahiny foana isan-telo volana e, amin’izay madio foana ny tanàna, vita ny lalana, milamina ary mandry fahalemana ny tany”. Ireo rahalahy sy anabavy any amin’ny faritra aza moa milaza fa hoe: “tsy aleo ve mba any amin’ny faritany hafa ivelan’Antananarivo indray no mandray vahiny sy fivoriana iraisam-pirenena e…” amin’izay mba vita ahay ny lalana any amin’ny renivohi-paritany, sy ny lalam-pirenena rehetra, izay tsy afenina fa mampiteny ny moana ny haratsiany ankehitriny.

Hisorohana izany ahiahy sy fitaintainana rehetra izany, dia hoy ny Arofanina: tokony jerena akaiky ny fanohizana ny fanatsarana ny foto-drafitr’asa mba haharitra; toy izany koa ny fitandroana ny filaminana mba hisian’ny fandriam-pahalemana maharitra, fa tsy sanatria hijanona anatina roa na andro vitsivitsy fotsiny ihany. Tsy afenina fa maro ny olom-pirenena no tena faly ka niloa-bava hoe hafa ihany rehefa madio sy milamina ny tanàna, vita ny lalana ary mandry ivohon’ny vato rehefa mahita ny fivezivezen’ny mpitandro ny filaminana manerana ny tanana sy any anelakela-trano rehetra ahiana ho fieren’ny jiolahy sy mpanendaka any. Tsy tokony hifampiandriandry koa anefa isika fa adidin’ny olom-pirenena tsy ankanavaka anie ny mitondra ny anjara birikiny amin’ny fahadiovan’ny tanana sy ny fikojakojana ny lalana ary ny hisian’ny filaminana sy fandriam-pahalemana e. Raha izany no tanteraka dia tena hiadana sy ho finaritra maharitra tokoa isika vahoaka Malagasy fa tsy rehefa hoe mandray vahiny fotsiny.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...