Ny vehivavy jody dia tsy nanana asa, ivelan'ny tokantrano, izany hoe mikarakara tokantrano sy ny ankohonany. Manana anjara asa lehibe ny vehivavy, indrindra teo amin'ny tantaram-pamonjena ; niara niasa tamin'i Masina Maria ho fahatongavan'Andriamanitra ho nofo ny Andriamanitra Ray. Tsy azo afangaro ny adidin'ny lehilahy sy ny vehivavy. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Fararanom-pahasoavana ny volana aogositra satria amin'io fotoana io no atokan'ny Fiangonana Katôlika, hanamasinana ho pretra sy diakra ireo zanaky ny Fiangonana. Nanatanteraka izany tamin'ny sabotsy teo ny tao amin'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Nanatanteraka fivahinianana masina nanamarihana ny nahatongavan'ny Misiônera Montfortains teto Madagasikara, nankalazana nihany koa ny faha-350 nahaterahan'i Masindahy Louis-Marie Grignon de Montfort...
I Jesoa Kristy no teny tonga nofo ary nofo tonga mofo, izy ilay voa nafafy, ilay raisina ao amin'ny Eokaristia. Ny Kristiana vita batemy no tany hamafazana izany Eokaristia izany, izay miaina ny finoana sy ny fanantenana. Ny mpino dia azo hambara ho tany lonaka, indrindra raha mazoto mandray Kôminio sy ny sakramentan'ny fampihavanana. Ny fitiavam-bavaka sy ny asa fihatrana ary ny fitiava-namana no hendriky ny rano entina hanondrahana ny finoana mba hivelatra.
13 aogositra 2023 — Alahady Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-33)
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco