13 aogositra 2023 — Alahady Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-33)

Ry kristianina havana; fahenontsika matetika ao amin’ny Evanjely i Jesoa mitokana mivavaka matetika, indrindra mialoha na aorian’ny fanambarana lehibe ataony. Eto amin’ity Evanjely anio izao dia avy nampitombo ny mofo Izy no nandeha nitokana nivavaka, fampitomboana ny mofo izay anambarany fa mahatsapa ny fahorian’ny olona Andriamanitra sady fambara mialoha ny Eokaristia. Izy mivavaka matetika io dia mampianatra antsika fa zava-poana ny asa, na dia lehibe toy inona, raha tsy ho an’Andriamanitra ary mampihatra izay nampianariny momba ny faharetana amin’ny fivavahana. Izy mitokana kosa dia araka izay nolazainy hoe mivavaha mangina; aoka ny voninahitr’Andriamanitra no katsahina fa tsy te hoderaina hoe masina sy mazoto mivavaka.

Fanambarana lehibe faharoa, i Jesoa mampitony ny onja sy mandeha eny ambony rano. Andriamanitra Izy, Tompo mandidy ny zavatra rehetra ka teniny iray monja dia ampy hahavonjy… Indraindray isika toa mahatsiaro ho nilaozan’Andriamanitra, avelany miady irery amin’ny haizin’ny alina sy misetra onja. Manampy trotraka izany ny tahotra ny hery ratsy. Eo amin’ireny indrindra i Jesoa no miseho, rehefa isika ao anaty haizina, miady irery, eo ambavalozan’ny fahafatesana aza: io i Jesoa fa tonga mamonjy ary mankahery antsika hoe: “matokia; aza matahotra”. Mety isika no tsy mahita na mitodika any an-kafa. Banjino i Jesoa Mpamonjy tokana miara-dalana amintsika isan’andro.

Misongadina manokana i Piera: nanam-pinoana izy ka afaka nandeha teny ambony rano tahaka an’i Jesoa. Izay mino an’i Jesoa dia mandray anjara amin’ny fiainany sy ny fandreseny. Fa vantany vao misalasala kosa dia fefika. Avelan’Andriamanitra hitranga ny zava-manahirana, eny, omeny hosotrointsika ny mangidy, mba hitodihantsika any Aminy, mba hahamatotra ny finoantsika, mba hihariharian’ny voninahiny. Ampitomboy ary amafiso ny fitiavam-bavaka sy fitokisana an’Andriamanitra; antsoy Izy hanolo-tanana fa izany no famonjena. Hotantanany hatrany anie isika tsy ho rendrika fa ho tody soa any amin’ilay seranana mandrakizay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...