I Jesoa Kristy no teny tonga nofo ary nofo tonga mofo, izy ilay voa nafafy, ilay raisina ao amin'ny Eokaristia. Ny Kristiana vita batemy no tany hamafazana izany Eokaristia izany, izay miaina ny finoana sy ny fanantenana. Ny mpino dia azo hambara ho tany lonaka, indrindra raha mazoto mandray Kôminio sy ny sakramentan'ny fampihavanana. Ny fitiavam-bavaka sy ny asa fihatrana ary ny fitiava-namana no hendriky ny rano entina hanondrahana ny finoana mba hivelatra.

Ny Eokaristia dia maneho ny tena "fitiavana". Mialohan'ny handraisana ny sakramentan'ny fampihavanana "konfesy" dia ilaina ny manao fandinihan-tena lalina. Araka ny fehin-kevitra tamin'ny "Concile de trente" dia nifanentanana ny hanaovana ny konfesy matetika isan-kerinandro hatramin'ny 1 volana.

Manoloana ny fanatanterahana ny fomba "famadihan-drazana" dia tokony hitandrina ny rehetra amin'ny fampiasana ny "aro vava - aro orona" ary ezahina ho tratra ny rivotra sy ny masoandro tsara ny ati-fasana mialohan'ny hikarakarana ny razana ao anatiny.

Ny fanjakàna laïka dia tsy "mandà ny fivavahana na ny finoana" fa afaka manaja ary manakim-po amin'Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...