Lesoka lehibe ho an'ny fivoaran'ny famokarana eny ambanivohitra ny tsy fahampian'ny teknisiana manoro lalana azy ireo momba ny haitaom-pamokarana. Antony nahatonga ny fikambanana Lanja Miakatra manofana ireo tantsaha any amin'ny faritra misy azy ireo...
Adidin'ny rehetra ny manohana ireo olona voatery manaraka fitsaboana mandram-pahafaty. Fahaiza-miaina sy mitia ny manohana ireo olona ireo satria matahotra ny fahasalamany ny maro amin'izy ireo ; misy sahirana ara-bola hividianana fanafody hitsaboana tena. Tsy misy afa-miala amin'izany manomboka eo amin'ny tenan'ilay marary sy ny ankohonany, hatrany amin'ny fanjakana...
Alarobia 17 febroary 2021 — Alarobia fanosorana lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18
♦ Basy 128 isa indray no tratran'ny miaramila mpampandry tany, teny am-pelatanan'ireo dahalo tamin'ny faritra maro manerana ny nosy... ♦ Velon-taraina ireo mponina eny amin'ny fokontany Firavahana-Fenoarivo fa mivadika nandrevo ny ranon-tany nanamboarana ny lalana... ♦ Nahazo ny fankatoavan'ny OMS ny vaksiny novokarin'ny laboratoara ASTRA-Zeneca, fanefitry ny Coronavirus...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco