Ao anatin'ireny ratsy isan-karazany ireny no mivoaka ny olomarina satria misy hatrany ireo miezaka manana fiainana mendrika sy matahotra an'Andriamanitra ary tia vavaka, ny fisian'izy ireny no mamelona fanantenana ny amin'ny ho avin'ny finoana sy ny famonjena. Teo amin'i Noë no tanteraka ny fikasan'Andriamanitra hanafoana ny ratsy eto ambonin'ny tany ary hanaovany fahariana vaovao ka tandindon'izany i Jesoa Kristy. Katesizy momba ny vavaky ny olomarina, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny fanabeazana atao amin'ny taranaka ankehitriny, dia mba hanohy hatrany ny fikarakarana ny tanindrazana nimpoiran'ireo ray aman-dreny, indrindra ny ray. Ny voalohany amin'ny fanabeazana dia ny fampahafantarana ny zanaka ny tantaran'ny tanàna niavian'ny ray. Ny loha-hevitra amin'ny fankalazana ny fetim-pirenena amin'ity taona 2024 ity dia isan'ny maneho izany : "Madagasikara mandroso, Malagasy miara-mientana amin'ny fitiavana ny tanindrazana" ... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
26 jona 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 15-20)
Ny "ankitonona" dia karazan-dahabolana, lalao an-tsaina atao am-bava izay miendrika fanontaniana ; izy ity dia tsy maintsy ianarana ary tafiditra amin'ny sekolin'ny Ntaolo. Ny vanton-jaza eo amin'ny taona fivelaran'ny saina sy efa mahataka-javatra no mpanao "ankitonona", na izany aza dia misy olon-dehibe hatrany mba manoro sy manazava ny hevitra sasany. Ny endrik'ity lahaborana ity dia miendrika fanontaniana, ialoavan'ny fanontaniana hoe "Inona ary izany raha fantatrao...? Ny tanjona amin'ny fanaovana azy ity dia fandranintan-tsaina, famolavolana ny ankizy hahay maneho hevitra. Ny ankitonona sy ny ankamantatra dia iray ihany...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco