26 jona 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 15-20)

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Tandremo ny mpaminany sandoka izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry,
nefa ao anatiny amboadia mitoha;
ny voany no hahafantaranareo azy.
Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na voan’aviavy amin’ny hery?
Toy izany, ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara,
ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy.
Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy,
ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.
Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara
hokapaina ka hatsipy ao anaty afo:
ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.”

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...