Vakiteny voalohany

Boky faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpanj. 22, 8-13 ; 23, 1-3)

Novakìn’ny mpanjaka teo anatrehan’izy ireo ny teny rehetra tao amin’ny bokin’ny fanekem-pihavanana izay hita tao amin’ny tranon’ny Tompo, ka nanao ny fifanekem-pihavanana teo anatrehan’ny Tompo izy.

Tamin’izany andro izany,
izao no nolazain’i Helkiasa mpisorona lehibe tamin’i Safàna mpanoratra:

“Hitako tao an-tranon’ny Tompo ny bokin’ny Lalàna.”

Ary natolotr’i Helkiasa an’i Safàna ny boky ka novakìny.
Rahefa izany,
nandeha hilaza ny toe-draharaha amin’ny mpanjaka i Safàna mpanoratra ka nanao hoe:

“Efa nalain’ny mpanomponao avokoa ny vola hita tao an-trano,
ka napetrany eo an-tanan’izay mandraharaha ny asa,
izay voatendry ho mpitandrina ao an-tranon’ny Tompo.”

Izao koa no nampandrenesin’i Safàna mpanoratra ny mpanjaka:

“Misy boky nomen’i Helkiasa mpisorona ahy”;

sady novakìny teo anatrehan’ny mpanjaka.
Nony nandre ny teny tao amin’ny Lalàna ny mpanjaka,
dia nandrovitra ny fitafiany, sady nanome didy an’i Helkiasa mpisorona,
sy i Ahikama zanak’i Safàna sy i Akôbôra zanak’i Mikà,
sy i Safàna mpanoratra ary i Asaiasa mpanompon’ny mpanjaka hoe:

“Mandehana ianareo manontany amin’ny Tompo ho ahy
sy ny vahoaka mbamin’i Jodà rehetra,
ny amin’ny teny ato amin’ity boky vao hita ity,
fa nirehitra mafy amintsika ny fahatezeran’ny Tompo,
noho ny tsy naneken’ny razantsika ny tenin’ity boky ity,
amin’ny fanatanterahana izay rehetra nandidiana antsika.”

Ary ny mpanjaka naniraka hamory ny loholon’i Jodà sy Jerosalema rehetra ho ao aminy.
Dia niakatra ho ao an-tranon’ny Tompo ny mpanjaka mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà,
ny mponina ao Jerosalema rehetra, ny mpisorona, ny mpaminany sy ny vahoaka rehetra,
hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra,
ka novakìny teo anatrehan’izy ireo ny teny rehetra tao amin’ny bokin’ny fanekem-pihavanana
izay hita tao an-tranon’ny Tompo.
Nitsangana teo amin’ny lampihazo ny mpanjaka,
ka nanao ny fanekem-pihavanana teo anatrehan’ny Tompo,
nanekeny hanaraka ny Tompo sy hitandrina ny didy amam-pitsipika ary ny lalàny,
amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra,
amin’ny fankatoavana ny tenin’izany fanekena izany
izay voasoratra ao amin’io boky io.
Ary nankatò izany fanekena izany koa ny vahoaka rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 33-34. 35-36. 37 sy 40

Tompo ô, toroy ny lalan’ny fitsipikao aho.

Tompo ô, toroy ny lalan’ny fitsipikao aho,
mba hitandremako azy hatramin’ny farany.
Omeo fahalalana aho hitandremako ny lalànao,
sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Ampizory amin’ny soritry ny baikonao aho;
fa io no hafinaretako.
Araikao amin’ny fanambarànao ny foko,
fa tsy amin’ny fitiavan-karena.

Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana;
velomy amin’ny lalanao aho.
Indro manina ny lahatrao aho;
koa velomy amin’ny fahamarinanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 15-20)

Ny voany no hahafantaranareo azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Tandremo ny mpaminany sandoka izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry,
nefa ao anatiny amboadia mitoha;
ny voany no hahafantaranareo azy.
Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na voan’aviavy amin’ny hery?
Toy izany, ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara,
ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy.
Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy,
ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.
Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara
hokapaina ka hatsipy ao anaty afo:
ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 jona 2024

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...