Ilaina ny fanisana biôlôjika ho an'ny ala vao fantarina na tiana ho tantanina hamantarana ny toetran'ilay ala, tsy maintsy misy solontena avy amin'ny fanjakana miatrika eo, misy koa fanisana hanaovana fikarohana biby vaovao mbola tsy fantatra. Tany amin'ny taona 1905 no nisy fanisana biôlôjika voalohany izay teto Madagasikara. Inona no maha zava-dehibe ny fanisana biolojika? Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.
Raha faritana araka ny finoantsika ny afo fandiovana dia toeram-pijaliana sy fanonerana izay handiovan'ny fanahy izay mbola tsy mendrika ny ho raisina hiditra any an-danitra. Tsy paradisa sady tsy afobe fa toerana manelanelana ny hafaliana tsy manam-petra sy ny toeran'ny fijaliana tsy misy farany ; toy ny afobe ihany izy raha jerena ny fangirifirian'ny fijaliana, ary manahatahaka ny Lanitra kosa izy amin'ny fahamasinan'ireo izay mitaraina; afo mandoro nefa manadio. Misy ny fijoroana vavolombelona isan-karazany mahakasika ny fisian'ny afo fandiovana, ary misy ihany koa ny vavaka mahakasika azy io.
• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco