I Masimbavy Angèle Mérici, mpanorina ny fikambanana Ursulines no tsaroana ny 27 janoary. Teraka tao Desenzano, akaikin'ny farihin'i Garde tamin'ny taona 1474 i Angèle Mérici. Fanirian'ireo ray aman-dreniny, izay tena kristianina tokoa, ny mba hahitan'ireo zanany ny fahasambarana ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra.

Mba hahatanteraka izany faniriana izany dia natao toeram-pivavahana ny tranon'ny rainy, amin'izay ny rehetra miasa eo ambany mason'Andriamanitra sy manandratra vavaka miaraka. Famakiana teny avy amin'ny bokim-pivavahana na famakiana ny fiainan'ny olomasina no hamaranan'ny fianakaviana ny andro isan'andro. Fanampin'izany fitiavam-bavaka izany dia mbola nampian'i Angèle asa fivalozana mafy ny azy ary teo amin'ny faha-9 taonany izy no nanokana ny fahadiovan-tenany ho an'Andriamanitra. 13 taona izy no maty ny rainy ary herintaona taorian'izay ny reniny. Ny dadatoany no nitaiza azy nefa enin-taona taorian'izany dia nodimandry koa io dadatoany io. Niverina tany amin'ny tranon-drainy izy. Teo amin'ny faha-22 taonany no niditra tao amin'ny fikambanana Tiers Ordre an'i Masindahy François d'Assise i Angèle.

Ny taona 1506, raha niasa teny an-tsaha izy no nisy hazavana tampoka, nahita tohatra avy ety an-tany miakatra any an-danitra i Angèle ary andiana virjiny tsy hita isa no miakatra io tohatra io omban'ny anjely. Nisy virjiny iray nitodika nijery azy sy niteny taminy hoe: "Angèle, fantaro fa Andriamanitra no manome anao izao fahitana izao, hahafantaranao fa alohan'ny hahafatesanao dia hanorina fikambanana virjiny mitovy amin'ireo ianao ao Brescia". Roapolo taona taorian'io fahitana io dia tanteraka izany, ary nomban'ny fanampian'Andriamanitra i Angèle teo am-panatontosana io adidy nankinina taminy io. Ny 25 novambra 1535 no nanonona ny voadiny: fahantrana, fahadiovana ary fanekena; ireo relijiozy telo voalohany tao amin'ity fikambanana ity ary nanokan-tena ho an'ny fampianarana izy ireo. I Masimbavy Ursule no nofidian'i Angèle Mérici hiaro ity fikambanana ity.

Nomen'Andriamanitra fahasoavana manokana i Angèle, ohatra amin'izany ny fahaizany ny teny latina, nefa tsy nianarany izany; ny fahaizny manazava ny andalan-tSoratra Masina faran'izy sarotra indrindra sy ny fahaizany manazava ihany koa ireo fanontaniana sy olana momba ny finoana izy mahafinaritra tokoa ny mihaino azy, ary am-pahamatorana sy hentitra no hanaovany izany. Ny androny faramparany teto an-tany dia niainany ny fivahinianam-panahy. Ny 27 janoary 1540 izy no nodimandry. Nandritra ny telo andro izy niandrasana azy dia nibanjina hazavana miavaka teo ambon'ny trano fiangonana nisy ny vatan'i Angèle ny vahoaka tao Brescia. Ny papa Pie VII no nanandratra an'i Angèle Mérici ho olomasina ny taona 1807.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...