Vitsy ny olona manaiky ny fahadisoany satria very sy mihena ny fanajan'ny hafa azy ; antony tsy handraisan'ny tanora andraikitra ny tahotra ny ho diso, na ihany koa tahotra sao tsarain'ny hafa. Ny fomba afahan'ny tanora mandray andraikitra dia entanina hanapa-kevitra tsikelikely dieny mbola zaza ary mba hihevitra sy hanome lanja ny tenany, atao fantany fa ny fahadisoana dia fanombohana amin'ny fanatsarana vaovao... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Tokony ho vita sonia amin'ny sabotsy izao, farafahatarany, ilay tondrozotra hitondrana ny firenena, araka ny toromariky ny SADC sy ny Vondona Afrikana... • Vola maherin'ny 136 871 000 000 Ariary no niogiazan'ny ARAI tamin'ny taona 2025, noho ireo vola ireo azo tamin'ny tsy rariny. Nitatitra ny asa vitany ho an'ny taon-dasa ity sampan-draharaha ity androany... • Tambajotra goavana no ao ambadiky ny fakana an-keriny sy ny famonoana olona manana toe-tena varira eto Madagasikara, hoy ny fikambanana Albinos androany...
Isan'ny sehatra miaina ny rivotry ny fanavaozana misy ankehitriny ny diplômasia sy ny toerana, indrindra ny fifandraisan'i Madagasikara amin'ireo firenen-dehibe any ivelany toa an'i Rosia sy i Frantsa. Ny arofenitra fandraisana ataon'ny firenena tsirairay dia afahana mamantatra ny dinika izay nisy sy hisy aorian'ny fihaonana. Ny fahafantarana ny tantara nisy teo amin'ny fifandraisana ara-diplômatika nisy hatramin'izay dia manampy amin'ny fomba fanapahan-kevitra ; irina mba hisongadina ny fanavaozana ny lafiny ara-toekarena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny mifanohitra amin'ny aina dia fahafatesana ; vao mitsaika ao am-bohoka hatramin'ny fahafatesana dia fotoana hikoloana sy hiarovana ny aina. Ny aina sy ny fitsaihina dia vokatry ny firaisana ara-nofo, mety ho tsy-nahiana fa mety ho tena tao anaty fitiavana tokoa. Ny aina no tena maha olombelona noho izany dia zava-dehibe sy tokony harovana ary hajaina mba hisy ny fitohizan'aina ara-boajanahary, eo koa ny sakafo sy ny fikoloana ny ara-pahasalamana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco