Ny "Sôvaramita" dia lahabolana haifamoronana avy amin'i Raphi sy L Niry Andriamora. Azo lazaina efa zava-kanto raikitra tao amin'ireo mpanakanto teo aloha izy ity, izay ahenoana gadona miavaka, tena Malagasy. Iretsy roalahy namorona sy nanome an'ity lahabolana ity dia samy nandalina ny taranja Malagasy (Riba sy literatiora) ; etsy ankilany dia mifona hanatra sy fanabeazana ary hatsikana sy fialamboly ny Sôvaramita. Mora ho an'ireo izay mahafehy teny hodidina izy ity, indrindra ireo izay mahafehy haingon-teny...