Alahady 01 nôvambra 2020 — Fankalazana ny Olomasina rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 1-12 — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo.
Alarobia 28 ôktôbra 2020 — Masindahy Simona sy Joda, Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 12-16 — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo ; ny antokon'ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, ry Tompo.
Manana ny toerany manokana eo amin' ny fitiavana ny atao hoe "PHILEO". (21-10-2020)
Alahady 25 ôktôbra 2020 — Alahady faha-30 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 34-40 — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo ! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra.
Notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diosezin’i Farafangana, androany 31 oktobra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan’i Fenoarivo-Atsinanana. Izy izany no handimby an’i Mgr Gaetano Di Piero, izay nitondra ny Diosezin’i Farafangana nanomboka ny 3 marsa 2018 ka hatramin’izao. Teraka ny 12 aprily 1963 tao Sandrandahy, Diosezin’Ambositra, i Mgr Marcellin, ary tao ihany izy no nanomboka ny fanabeazana fototra.
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco