Notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diosezin’i Farafangana, androany 31 oktobra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan’i Fenoarivo-Atsinanana. Izy izany no handimby an’i Mgr Gaetano Di Piero, izay nitondra ny Diosezin’i Farafangana nanomboka ny 3 marsa 2018 ka hatramin’izao. Teraka ny 12 aprily 1963 tao Sandrandahy, Diosezin’Ambositra, i Mgr Marcellin, ary tao ihany izy no nanomboka ny fanabeazana fototra.

Rehefa nahavita ny seminera zandriny tao Fianarantsoa izy dia nanohy ny fiofanana ho pretra tao amin’ny Seminera zokiny Ambatoroka Antananarivo ny taona 1984 ka hatramin’ny 1992. Taorian’ny fanamasinina azy ho pretra ny 30 aogositra 1992, dia niasa tao amin’ny distrika roa tao Fianarantsoa izy. Ny taona 1996 ka hatramin’ny 1998, nanohy ny fandalinana ny teolojia teny Ambatoroka izy ka nahazo ny mari-pahaizana “licence” ary avy hatrany dia nanohy ny fianarana tany Lyon-France, izay nahazoany ny mari-pahaizana “maîtrise” ny taona 2001.

Ny taona 2001-2003, voatendry ho mpanabe sy mpampianatra ary mpiandraikitra ny fianaran’ny seminera zokiny tao Vohitsoa – Fianarantsoa izy, ary rektora tao ihany ny 2003-2008. Rehefa avy nanao ny taom-pialan-tsasatra izy ny 2008, dia notendren’ny Papa Benoît faha-16 ho Evekan’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana ny 10 febroary 2009, ary nitana izany andraikitra izany hatramin’izao 31 oktobra 2024 izao.

Manoloana izao fanendrena izao dia mankasitraka ny faneken’i Mgr Marcellin Randriamamonjy ny iraka vaovao hosahaniny ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara, ary misaotra an’i Mgr Gaetano noho ny ezaka vitany tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly tao amin’ity diosezy ity. Arahantsika avy hatrany àry ny teny fiarahabana avy amin’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, entin’i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan’i Moromndava, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara.

Izahay eto amin’ny Radio Don Bosco dia miarahaba sy mirary soa an’i Mgr Marcellin Randriamamonjy amin’izao iraka ankinin’ny Eglizy aminy izao, ary miarahaba ny Diosezin’i Farafangana nahazo mpiandry ondry vaovao.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...