Fotoana famonosan-drazana ny volana aogositra hatramin'ny septambra. Nanomboka ny vanim-potoana nanenjehana ny kristianina no tena nampiroborobo ny famadihana. Taloha dia isaky ny 15 na 20 taona vao misy ny famadihana, izay entina hifankahafantarana sy hanamafisana ny fihavanana, hanaovana fiaraha-misakafo. Ankehitriny dia simba ireo fomba teo aloha, lasa ny vola no mibaiko fa tsy manao ho zava-dehibe ny fihavanana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny andro 29 septambra no fankalazana ireo Arkanjely Masina, ny tena fantatry ny maro amin'ireo dia Masina Misely, Masina Gabriely, Masina Rafaely... Misy antokony sivy ny Anjely : Anjely tsotra, ny Arkanjely, fa ambonin'ireo dia eo ny Fiandrianana, ny Fahefana, ny Hatsaran-toetra, ny Fanapahana, ny Fiketrahana, ny Kerôbima ary ny Serafima. Misy ny Arkanjely fito izay mijoro manoloana an'Andriamanitra ka Masina Misely no loharahana amin'izany... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady faha-19 mandavantaona — D — manomàna vatsy sahaza ny mandrakizay ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Tsy maintsy ho tonga ny farandro, ny hanampy antsika hiomana sy hiatrika io fotoan-dehibe io, amin-kafaliana sy fiadanam-po no antony nahatongavan'i Jesoa. Ny fanalahidin'izany hafaliana hihaonana amin'i Jesoa, amin'ny fiverenany fanindroany ety an-tany izany dia ny fahavonona mandrakariva handray azy sy haharetantsika hiasa ho azy satria sambatra ny mpanompo tratry ny tompony miambina fa ny tompo hampandroso azy, amin'ny alalan'ny fahatokisana sy fitiavana azy...
• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...
• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco