Mibaribary toa ny tafika an-drefan-tanàna ankehitriny ny anjara toerana sy ny andraikitry ny vehivavy tantsaha amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, izy ireo izay mandray anjara amin'ny fiantohana ara-tsakafo sy ny fampihenana ny fahantrana. Misehatra amin'ny asa famokarana sakafo mantsy ny vehivavyary isan'ny miantoka ny sakafo jifain'ny fiaraha-monina misy azy...
Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny saina tia karokaroka, saina liam-baovao na ny “curiosité”. Anisan’ny ampinga iray manampy ny olona iray izany mba hitombony, amin’ny maha-olona azy, hampihitatra ny fahaizany eo amin’ny sehatry ny fianarana, ny asa, ny fiaraha-monina, ny fikarohana, ny tontolo iainana ary ny fiainana ara-panahy sy ny fomba fisainana. Noho izany dia fitaovana manan-danja izy eo amin’ny maha-olona ary misy ny fitaizana sy fikolokolona azy mba ampivelatra sy ampiasaina azy tsara... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Abrahama dia anarana nomen'Andriamanitra, anarana tompon'andraikitra, anarana maniraka, noho ny finoany sy ny fihainoany ary ny nahatokisany tsy amim-pisalasalàna azy Andriamanitra. Abrahama dia azo adika amin'ny hoe loha-pianakaviana, raim-pianakaviana, ilay anarana tadindon'ny fampanantenana. Niditra tamin'ny tantaran'olombelona Andriamanitra mba handio azy sy hamonjy azy... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Mizotra any Maroc amin'izao minitra itenenana izao ny lalaon'ny Barea sy i Centrafrique, fifanintsanana Modial 2026... • Mpifidy vaventy maromaro no tsy afaka handatsa-bato amin'ny fifidianana Loholona amin'ny 11 desambra 2025. Very zo ireo olom-pirenena amin'ireo Kaominina tokony namerenana fifidianana, hoy ny KMF/CNOE... • Tanora maherin'ny arivo no voaentana amin'ny tokony hahaizana mampiasa ny teknolojian'ny fifandraisana sy ny tambajotran-tserasera, noho ny tetikasa “Mahasaky”. Nisy ny vokatra azo, hoy ny manatanteraka io tetikasa io...
• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco