Ny Eglizy katôlika dia miara-dia amin'ny fiaraha-monina, indrindra amin'ny fitondram-panjaka, manentana ny olona hiaro ny zon'olombelona. Ny fanajàna ny zon'olombelona dia ahazoan'ny rehetra tombontsoa satria manamafy ny fitiavana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Mitsidika ny faritanin'i Madagasikara ny mpanolotsaina jeneralin'ny Salezianin'i Don Bosco, misahana an'i Afrika sy i Madagasikara, P. Alphonse Owoudou... ♦ Nosokafana androany maraina ny andro ho an'ny fikaonan-doha marolafy tao amin'ny Seminera zokiny Paul VI, Antsiranana... ♦ Nanentana ny kristianina hivavaka ho an'ny raim-pianakaviana ny Papa François noho ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Josefa...
Ny zava-misy iainantsika ankehitriny dia mbola ao anatin’ny tontolon’ny Konsily Vatikana II, ka mila mivelatra sy misokatra amin’ny hafa isika, ary mila mihevitra sy mandinika lalina ny tena fiainantsika. Amin’ny maha Konsily pastoraly azy, dia asainy miverina mitodika sy mandray ireo Lovantsofina isakarazany isika, fa tsy tokony hionona amin’ireo zavatra voasoratra fotsiny ihany. Any ka nitondra fiovàna be teo amin’ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fomba fandinihana ny tantara ny ezaka nataon’ireo mpikaroka eran’izao tontolo izao, taorian’ity Konsily Vatikana II ity.
Alahady 19 marsa 2023 — Alahady fahefatra amin'ny Karemy — Taona A — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 9, 1-41)
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco