Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 16, 1b. 6-7. 10-13a)

Nohosorana ho Mpanjaka amin’i Israely i Davida.

Tamin’izany andro izany,
ny Tompo niteny tamin’i Samoela nanao hoe:

“Fenoy diloilo ny tandrokao,
dia mandehana fa irahiko ho any amin’i Jese any Betilehema ianao,
satria amin’ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako”.

Nony tafiditra izy ireo
dia nahita an’i Eliaba i Samoela ka nanao hoe:

“Mby eto anatrehany tokoa ilay voahosotry ny Tompo”.

Fa hoy ny Tompo tamin’i Samoela:

“Aza ny tarehiny no jerenao,
na ny haavon’ny tsanganany,
fa efa natanilako io.
Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy;
ny olombelona mijery ny tarehy
fa ny Tompo kosa mijery ny fo”.

Nampandalovin’i Jese teo anatrehan’i Samoela koa
ireto fito mirahalahy tamin’ny zanany
ary hoy i Samoela tamin’i Jese:

“Tsy misy nofidin’ny Tompo amin’ireto”.

Ary hoy i Samoela tamin’i Jese:

“Ireo ihany va no zatovolahy rehetra?”

Dia hoy i Jese:

“Mbola misy ilay faralahy,
ka indro fa miandry ondry izy”.

Ka hoy i Samoela tamin’i Jese:

“Ampanalao izy,
fa tsy hipetraka hihinana isika
raha tsy efa tonga izy”.

Dia nampanalain’i Jese io.
Mavo mena ny volon’izy izay;
sady bary maso izy no tsara tarehy.

Ary hoy ny Tompo:

“Mitsangàna, hosory io,
fa io no izy”.

Dia noraisin’i Samoela ny tandroka misy diloilo,
ka nohosorany teo afovoan’ny rahalahiny io:
ary hatramin’izany andro izany
sy tamin’ny andro manaraka,
dia nidina tamin’i Davida ny fanahin’ny Tompo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6)

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inoninona aho.

Ny Tompo miandry ahy tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany;
tarihiny amin’ny lala-marina.

Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy misy loza atahorako:
satria ianao miaraka amiko
ireo tehinao mampatoky ahy.

Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko:
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.

Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona hifandimby.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 5, 8-14)

Mitsangàna ho velona, dia hanazava anao i Kristy.

Ry kristianina havana,
taloha ianareo no maizina,
fa ankehitriny efa mazava ao amin’ny Tompo,
ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.
Ary ny vokatry ny mazava dia ny soa,
ny mety ary ny marina rehetra.
Fantaro izay ankasitrahin’Andriamanitra.
Aza mba mikambankambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa,
fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny,
satria mahamenatra
na dia ny hilaza fotsiny ny ataon’izy ireny an-takona aza;
fa asehon’ny mazava avokoa ny zavatra rehetra,
rehefa voaambara ny haratsiany,
ary na inona na inona aseho,
dia tonga mazava koa.
Izany no nanoratana hoe:

Mifohaza ianao izay matory,
ary mitsangàna ho velona,
dia hanazava anao i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo;
izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 9, 1-41)

Nandeha izy, nanasa ny masony, ka niverina nahiratra.

Tamin’izany andro izany, nony nandalo i Jesoa
dia nahita lehilahy anankiray izay teraka jamba,
ka hoy ny mpianany nanontany Azy:

“Raby, iza moa no nanota,
io lehilahy io, sa ny ray aman-dreniny,
no teraka jamba izy?”

I Jesoa namaly hoe:

“Tsy izy no nanota, na ny rainy aman-dreniny,
fa mba hisehoan’ny asan’Andriamanitra eo aminy no antony.
Tsy maintsy manao ny asan’Izay naniraka Ahy Aho
raha mbola antoandro:
fa ho avy ny alina izay tsy azon’olona na iza na iza iasana.
Raha mbola amin’izao tontolo izao Aho,
dia fahazavan’izao tontolo izao”.

Nony voalazany izany,
dia nandrora tamin’ny tany Izy
ka nanao feta tamin’ny rorany,
nahosony ny mason’ilay jamba,
dia hoy Izy taminy:

“Mandehana manasa ny masonao
any amin’ny farihin’i Silôe”
(izany hoe, Iraka).

Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra.
Tamin’izay ny olona mifanakaiky trano aminy,
sy izay nahita azy nangataka teo aloha nanao hoe:

“Moa tsy ity ilay nipetraka nangataka?”

Dia hoy ny sasany:

“Izy io”.

Fa hoy kosa ny sasany:

“Tsia, fa olona mitovy aminy”.

Ary hoy kosa izy:

“Izaho no izy”.

Ka hoy izy ireo taminy:

“Nanao ahoana no nahiratan’ny masonao?”

Dia hoy izy:

“Ilay lehilahy atao hoe i Jesoa no nanao feta,
nahosony ny masoko, dia nanao tamiko hoe:

“Mandehana manasa ny masonao any amin’ny farihin’i Silôe”,

dia lasa aho nanasa, ka nahiratra”.

Ary hoy izy ireo taminy:

“Aiza izany Lehilahy izany?”

Novaliany hoe:

“Asa”.

Dia nentiny tany amin’ny Farisianina ilay jamba taloha,
fa andro sabata no nanaovan’i Jesoa feta
sy nampahiratany ny masony.
Nanontany azy indray àry ny Farisianina izay nahiratany,
ka hoy ny navaliny azy:

“Nasiany feta ny masoko,
dia nosasako, ka nahiratra aho”.

Tamin’izany ny sasany tamin’ny Farisianina nanao hoe:

“Tsy Andriamanitra no niavian’izany Lehilahy izany,
fa tsy mitandrina ny sabata Izy”.

Fa ny sasany kosa nanao hoe:

“Hataon’ny mpanota ahoana
no fahavita fahagagana toy izany?”

Koa nisara-kevitra izy ireo.
Dia hoy indray izy ireo tamin’ilay jamba:

“Mba ahoana kosa no filazanao Azy
fa nampahiratra ny masonao Izy?”

Ka hoy ralehilahy:

“Mpaminany Izy”.

Dia tsy nety nino ny Jody
fa jamba sy vao nahiratra izy,
ka nampiantsoiny aloha ny ray aman-drenin’ity nahiratra,
sy nanontaniany hoe:

“Ity va no zanakareo
izay lazainareo hoe teraka jamba?
Ka nanao ahoana àry no nahiratany izao?”

Dia namaly ny ray aman-dreniny ka nanao hoe:

“Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
fa tsy fantatray izay nahiratany izao,
ary tsy fantatray koa izay nampahiratra ny masony,
ka izy no anontanio fa efa lehibe izy:
izy ihany no aoka hilaza ny momba ny tenany”.

Ny ray aman-dreniny no nilaza izany,
dia noho izy natahotra ny Jody,
satria efa nifanaiky ny Jody
fa horoahina amin’ny sinagôga
izay hanaiky an’i Jesoa ho Kristy,
ka izany no nanaovan’ny ray aman-dreniny hoe:

“Izy no anontanio fa efa lebibe izy”.

Dia nantsoin’ireo indray
ilay lehilahy jamba taloha, ka nilazany hoe:

“Andriamanitra no omeo voninahitra;
fa raha iny Lehilahy iny,
dia fantatray fa mpanota”.

Ka hoy ny navaliny azy:

“Tsy fantatro na mpanota izy na tsia,
fa izao ihany no fantatro:
jamba aho taloha ary mahiratra aho ankehitriny”.

Dia hoy izy ireo taminy:

“Inona no nataony taminao?
Nanao ahoana sy ahoana avy
no nampahiratany ny masonao?”

Ka hoy ny navaliny azy ireo:

“Efa voalazako taminareo,
fa tsy nohenoinareo akory;
ka ahoana indray no itiavanareo handre?
Te-ho tonga mpianany koa va ianareo?”

Dia notevatevain’izy ireo izy sy nataony hoe:

“Ialahy no mpianany,
fa raha izahay kosa dia mpianatr’i Môizy.
I Môizy fantatray fa nitenenan’Andriamanitra,
fa iny kosa tsy fantatray akory izay niaviany”.

Namaly ralehilahy ka nanao hoe:

“Ity indray no mahagaga,
fa tsy fantatrareo izay niaviany,
nefa izy no nampahiratra ny masoko.
Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota;
fa izay manompo Azy sy manao ny sitra-pony no henoiny.
Na oviana na oviana tsy mbola nisy olona re
fa nampahiratra ny teraka jamba;
ka raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany,
dia tsy hahefa na inona na inona akory”.

Dia namaly ry zareo, ka nanao taminy hoe:

“Izay ialahy tena teraka tanatin’ny ota indray ve
no mampianatra anay!” sady noroahiny izy.

Ren’i Jesoa fa hoe noroahin-dry zareo izy,
ka nony hitany dia nilazany hoe:

“Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao?”

Namaly izy ka nanao hoe:

“Iza moa no izy, Tompoko, mba hinoako Azy?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Efa hitanao Izy, ary izay miteny aminao no Izy”.

Ka hoy izy:

“Mino aho, Tompoko”;

sady niankohoka nitsaoka Azy izy.

Dia hoy i Jesoa:

“Fanavahana no nahatongavako amin’izao tontolo izao,
mba hahiratra izay tsy mahiratra,
ary ho tonga jamba izay mahiratra”.

Ren’ny Farisianina sasany teo izany,
ka hoy izy ireo taminy:

“Ary izahay ve mba jamba koa?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Raha jamba ianareo,
dia tsy ho nanan-keloka;
fa noho ianareo ankehitriny manao hoe:
Mahiratra izahay,
dia tsy afaka ny helokareo”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo. 

Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo;
izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 9, 1. 6-9. 13-17. 34-38)

Nandeha izy, nanasa ny masony, ka niverina nahiratra.

Tamin’izany andro izany, nony nandalo i Jesoa
dia nahita lehilahy anankiray izay teraka jamba,

Dia nandrora tamin’ny tany Izy
ka nanao feta tamin’ny rorany,
nahosony ny mason’ilay jamba,
dia hoy Izy taminy:

“Mandehana manasa ny masonao
any amin’ny farihin’i Silôe”
(izany hoe, Iraka).

Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra.
Tamin’izay ny olona mifanakaiky trano aminy,
sy izay nahita azy nangataka teo aloha nanao hoe:

“Moa tsy ity ilay nipetraka nangataka?”

Dia hoy ny sasany:

“Izy io”.

Fa hoy kosa ny sasany:

“Tsia, fa olona mitovy aminy”.

Ary hoy kosa izy:

“Izaho no izy”.

 

Dia nentiny tany amin’ny Farisianina ilay jamba taloha,
fa andro sabata no nanaovan’i Jesoa feta
sy nampahiratany ny masony.
Nanontany azy indray àry ny Farisianina izay nahiratany,
ka hoy ny navaliny azy:

“Nasiany feta ny masoko,
dia nosasako, ka nahiratra aho”.

Tamin’izany ny sasany tamin’ny Farisianina nanao hoe:

“Tsy Andriamanitra no niavian’izany Lehilahy izany,
fa tsy mitandrina ny sabata Izy”.

Fa ny sasany kosa nanao hoe:

“Hataon’ny mpanota ahoana
no fahavita fahagagana toy izany?”

Koa nisara-kevitra izy ireo.
Dia hoy indray izy ireo tamin’ilay jamba:

“Mba ahoana kosa no filazanao Azy
fa nampahiratra ny masonao Izy?”

Ka hoy ralehilahy:

“Mpaminany Izy”.

 

Dia namaly ry zareo, ka nanao taminy hoe:

“Izay ialahy tena teraka tanatin’ny ota indray ve
no mampianatra anay!” sady noroahiny izy.

Ren’i Jesoa fa hoe noroahin-dry zareo izy,
ka nony hitany dia nilazany hoe:

“Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao?”

Namaly izy ka nanao hoe:

“Iza moa no izy, Tompoko, mba hinoako Azy?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Efa hitanao Izy, ary izay miteny aminao no Izy”.

Ka hoy izy:

“Mino aho, Tompoko”;

sady niankohoka nitsaoka Azy izy.

 

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...