Manana adidy amin'ny fireneny sy ny tanindrazany ny olona tsirairy. Hasin'ny Firenena sy ny hasin'ny vahoaka ao amin'ny dia mifamatotra tanteraka ary mifamatotra tanteraka ihany koa amin'ny didy fahaefatra amin'ny didin'Andriamanitra dia ny hoe "manajà ny ray aman-dreninao mba ho ela velona ianao". Tsy ampy ny fanajana ny ray aman-dreny fotsiny fa manana adidy ihany koa isika mba hanaja ny manodidina antsika, ny mpiara-monina ary ny mpiray tanindrazana sy firenena.
25 jona 2023 — Alahady Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 26-33)
♦ Hisantatra ny fandraisana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona amin'ny 27 jona 2023 ny tananan'i Madiokely, vavahadin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Tontosa ny 17 sy 18 jona 2023 tao Ankaditsiary, Distrika Amborompotsy - Ambositra, ny fametrahana an'i P. Cataldo Antonio, sj, tao amin'ny fasana vaovao, hiandrasany ny fitsanganan-ko velona... ♦ Nankatoavin'ny Papa François ny 22 jona 2023 ny maha-olona hajain'ny Eglizy an'i Masera Lucie dos Santos, ilay nisehoan'i Masina Maria tao Fatima, Portugal...
Mbola tsy ampy amin'ny habetsahana sy ny hatsarana ny famokarana vilona ho an'ny omby vavy be ronono eto amintsika. Antony nahatonga ny MDB, nikarakara hetsika "Andron'ny vilona", natao tany Tsiroanomandidy ny 9 jona 2023, ary nitohy teto Analamanga, teny Anosy Avaratra, Distrikan'Antananarivo Avaradrano, ny 16 jona 2023.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco