♦ Nametraka fitoriana ny Filoham-pirenena teny amin'ny Fitsarana Anosy androany, ny fikambanana ADDM. Fitoriana, tohin'ilay raharaha zom-pirenena frantsay... ♦ Tsy tanteraka androany ny fikasana hanongana ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena. Ny tolak'andro teo vao saika hivory ireo filoham-baomiera. Nody maina ireo Minisitra tonga hihaona tamin'ireo Solombavam-bahoaka teny an-toerana... ♦ Nandray andraikitra manoloana ny ambara fa fanararaotana ny mpanjifa amin'ny tontolon'ny “Mobile Banking”, ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa, PMH sy MCI...
28 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 15-20)
Ireo singa rehetra mandrafitra ny tontolo iainana dia nanokanana andro iray avy isan-taona mba hanajana azy. Ny manahirana amin'ireny fankalazana ireny dia mijanona eo amin'ny kabary sy ny sary fahatsiarovana na fampirantiana ny hetsika. Maro ireo ezaka ataon'ny tsirairay, ataon'ny fikambanana ary indrindra ny mpitondra sy ny fanjakana, ezaka ho fikarakarana ny tranobe iombonana. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Manana adidy amin'ny fireneny sy ny tanindrazany ny olona tsirairy. Hasin'ny Firenena sy ny hasin'ny vahoaka ao amin'ny dia mifamatotra tanteraka ary mifamatotra tanteraka ihany koa amin'ny didy fahaefatra amin'ny didin'Andriamanitra dia ny hoe "manajà ny ray aman-dreninao mba ho ela velona ianao". Tsy ampy ny fanajana ny ray aman-dreny fotsiny fa manana adidy ihany koa isika mba hanaja ny manodidina antsika, ny mpiara-monina ary ny mpiray tanindrazana sy firenena.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco