♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'Ambatondrazaka i Mompera Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, Rektoran'ny Seminera Zokiny fandalinana filôzôfia, ao Toamasina... ♦ Nomarihana tamin'ny fanombohan'ny volana aogositra teo ny JMJ andiany fahatelo ho an'ny Diôsezin'Ambanja...
Ao amin'ny Testamenta Taloha dia in-telo ihany no ampiasaina ny teny hoe " Ry Tompo Andriamanitr'i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely" indrindra ny teny hoe "Israely". Tari-dalana amin'ny Eokaristia Masina izay fanaontsika ny Sorona nataon'i Elia 1 Mpanjaka 18, 20,-39. "Valio aho ry Tompo, valio aho". Olona manan-daza tamin'ny fomba fivavahana i Elia, nanohitra ny tsy rariny. Ny vavaka no maniraka antsika hanompo ny manodidina. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.
Notendren’ny Papa François ho evekan’Ambatondrazaka i Mompera Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, Rektoran’ny Seminera Zokiny, fandalinana filôzôfia - Masindahy François de Sales ao Toamasina.
14 aogositra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco