Ny fiteny "kibushi" dia tsy hoe mitovy amin'ny teny Malagasy fa tena teny Malagasy. Ny fiampitan'ny teny Malagasy izay mampiasa ny fiteny betsimisaraka tao amin'ny nosy Sainte Marie nakao amin'ny nosy Mayotte no nahatonga ny fiteny "kibushi" ; ny "ki" dia midika hoe "teny" ary ny "bushi" dia entina hilaza ny hoe "Malagasy", ireo no mitambatra no milaza hoe " Teny Malagasy". Misy fifamatorana amin'ny tantaram-pitondrana nisy tamin'ny fitondran'ny mpanjaka RATSIMILAO sy ny zanany vavy izay nandova azy ara-pitondrana ny fiteny "Kibushi"...
Rehefa nandray ny filazan'ny Anjely i Masina Maria dia nandeha nizara izany tamin'i Elizabeta rahavaviny. Nifaly tamin'Andriamanitra mpamonjy azy izy fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny. Vavaka fisaorana an'Andriamanitra, tsotra ary feno fanetrentena lalina, feno fiontanam-po sy aingam-panahy no nataony. Mahita ny fahasahiranantsika i Masina Maria ary manampy antsika amim-bavaka... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Ny tena Kristiana dia miaina ny atao hoe : fitiavana, tsy fivadihana ary miaina ao anatin'ny fahamarianana sy ny fifanajàna. Ny fampianaran'ny fiangonana dia mifototra amin'ny "tradition", izay miresaka ny fomba ifandovana eo amin'ny Fiangonana, ankoatra ny Soratra Masina. Raha mihanona fotsiny amin'ny Soratra Masina isika fa tsy mandala ny fomba dia mirona kokoa amin'ny fandavana ny votoantony finoana isika... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
29 septambra 2024 — Alahady Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-42. 44. 46-47)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco