Namoaka fanambarana ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, mitondra ny datin'ny omaly 21 mey 2020, fankalazana ny Niakaran'i Jesoa Kristy any an-danitra. Mamaky izany fanambarana izany Son Excellence Monseigneur Jean Claude Randrianarisoa, Evekan'i Miarinarivo, Sekretera Jeneralin'ny Finvondronamben'ny Eveka eto Madagasikara...
Alarobia 20 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 12-15 — Natsangan'Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin'ny Hazofijaliana noho isika.
♦ Hamafisina ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Coronavirus amin'ny faritra ahitana izany... ♦ Tafakatra 304 ny isan'ny olona voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Minatso ny olom-pirenena tsy an-kanavaka mba hanaja ny fepetra ara-pahasalamana ampiharin'ny fitondram-panjakana ny Filohan'ny FFKM...
Alahady 17 mey 2020 — Alahady fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 15-21 — Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny tenikio, hoy ny Tompo, dia ho tian'ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy.
• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco