Fizarana ny traik'efam-piainana niarahana tamin'i Gisela, mahakasika ny sinaodin'ny tanora, Sinaody ho fankalazana ny faha-200 taona ny nofin'i Don Bosco, izay natao tany Turin ny 11 hatramin'ny 16 Aogositra lasa teo... Fandarahana "onjam-panahy" iarahana amin'i Anna Domoina eto amin'ny RDB.
Hotsenaina eny amin'ny "Le Wagon" Ambalavao ny Lakroa JMJ sy Ikônan'ny Virjiny Masina, amin'ny Zoma 1 novambra 2024 izao, hoentina amin'ny alalan'ny dia-mivavaka eny amin'ny Katedraly Andohalo. Marihana fa herintaona alohan'ny hamindràna azy any amin'ny Diôsezy handray ny JMJ manaraka indray dia averina amin'ny vovonana Nasiônaly eto Antananarivo aloha ireo famantarana ireo. Fandarahana "onjam-panahy" iarahana amin'i Anna Domoina eto amin'ny RDB.
Ny soja sy ny vokatra azo avy aminy dia mahasolo ny hena sy ny karazan-tsakafo vita amin'ny lafarinina, ary tsy voatery hihinan-kena izay vao hihinana soja. Ankoatra ny soja dia maro ireo karazan-tsakafo azo hasolo ny hena. Azo fantarina ireo singa mahasoa sy hery azo tovozina amin'ireo sakafo ireo... Fandaharana " zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.
Ny fitsaram-bahoaka dia mitranga amina toe -javatra iray manamarika ny tsy fifampitokisana eo amin'ny mpitondra sy ireo vahoaka entina dia manapa-kevitra ny vahoaka fa izy no mila mandray an-tanana ny momba azy na amin'ny lafiny inona izany na amin'ny lafiny inona... Fandaharana " zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco