Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanontanian’ny Farisianina izay andro hiavian’ny fanjakan’Andriamanitra, ka namaly hoe: "Tsy mba manetriketrika fiavy ny fanjakan’Andriamanitra, ary tsy hataon’ny olona hoe: Indro atý na arý izy; fa indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra." Dia hoy koa Izy tamin’ny mpianany: "Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’Olona, fa tsy hahita ianareo. Hilazan’ny olona ianareo fa hoe: Indro erý, na indro etý; nefa aza mankany ianareo, na manaraka izany akory. Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra miserana ny faravodilanitra hatramin’ny lafiny iray ka hatrany amin’ny lafiny hafa, dia ho tahaka izany koa no fiavin’ny Zanak’Olona amin’ny androny. Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha Izy sy holavin’itý taranaka itý."

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...