Tamin’izany andro izany, i Jesoa nampianatra tao amin’ny sinagôga anankiray indray Sabata, ka nisy vehivavy anankiray teo azon’ny demony hatramin’ny valo ambin’ny folo taona, ka efa nataony saozanina sy nanjoko tsy afa-nitraka mihitsy. Nony nahita azy i Jesoa dia niantso azy ka nanao taminy hoe: "Ravehivavy, afaka ny aretinao." Dia nametrahany tanana izy, ka nitraka niaraka tamin’izay, sy nankalaza an’Andriamanitra. Fa sosotra ny lehiben’ny sinagôga noho i Jesoa nanasitrana tamin’ny andro Sabata, ka niloa-bava tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Henemana no andro azo iasana ka tongava hositranina amin’ireo ianareo, fa aza amin’ny andro Sabata." Fa hoy ny navalin’ny Tompo azy: "Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany hiala amin’ny tranony avy ianareo, ka mitondra azy hisotro rano na dia Sabata aza ny andro? Ary itý zanakavavin’i Abrahama izay efa nafatotr’i Satana hatramin’ny valo ambin’ny folo taona itý ve tsy tokony hovahana amin’izany fatorana izany amin’ny andro Sabata?" Tamin’izy niteny izany, izay rehetra nanohitra Azy dia nangaihay foana, fa ny vahoaka rehetra kosa nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...