Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia namaky an’i Galilea, ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany, fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe: "Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona, dia hovonoiny fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka hateloana aorian’ny nahafatesany". Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa. Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe: "Inona izany niadinareo hevitra tany an-dalana izany?" Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo, satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana. Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe: "Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra". Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe: "Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...