Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny lehiben’ny mpanora-dalàna sy ny loholona indray nanao itý fanoharana itý hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy, ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin’ny fampakaram-bady, fa tsy nety nankany ireo. Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: Lazao amin’ny nasaina hoe: Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra nafahy, ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra, koa tongava atý amin’ny fampakaram-bady ianareo. Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray nankany amin’ny sahany, ny iray nankany amin’ny varony; ary ny sasany nisambotra ny ankiziny, ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.
Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany, ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany, sy nandoro ny tanànany. Dia hoy izy tamin’ny ankiziny: Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady, fa ny nasaina no tsy mendrika. Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana, ary asao ho atý amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo. Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny, nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy, ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana. Ary niditra ny mpanjaka nizaha ny mpihinana, ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady, dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto, nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady? Fa sina ilay olona; ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: Afatory ny tongotra aman-tanany, ka ario any amin’ny maizina any ivelany io, any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidîna."