Tamin’izany andro izany, nony avy nampitombo ny mofo i Jesoa, ka nihinana sy voky ny vahoaka, dia nodidian’i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, sy hita hialoha Azy ambarapandravany ny vahoaka; ary rahefa nampirava ny vahoaka Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo. Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina, fa nanoha rivotra. Ary tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo. Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia natahotra ka nanao hoe: "Matoatoa io" sady niantsoantso izy noho ny tahony. Niaraka tamin’izay, dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe: "Matokia, fa Izaho ihany, ka aza niatahotra." Namaly i Piera nanao hoe: "Raha Ianao àry, Tompo, asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho." "Avia", hoy Izy. Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa. Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy, dia niantso mafy nanao hoe: "Tompo ô, vonjeo aho!" Niaraka tamin’izay naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe: "Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?" Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra. Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: "Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao."
Ary nony tafita ny rano izy ireo, dia tonga tany amin’ny tanin’i Genesareta; ka nony nahafantatra Azy ny mponina tao, dia nandefa iraka tamin’ny tany manodidina rehetra, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra, ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny moron-tongotr’akanjony fotsiny ihany, dia sitrana avokoa izay nanendry."