Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin'ny vahoaka nanao hoe : "Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny voatsinapy izay nalain'ny olona ka nafafiny tany an-tanimboly. Kely indrindra amin'ny voan-javatra reheta izy ; fa rehefa mitombo kosa, dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo ; dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin'ny rantsany". Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe : "Ny fanjakan'ny lanitra, dia mitovy amin'ny lalivay, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka natony tao amin'ny koban-dafarina intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny lalivay azy rehetra".

Fanoharana no nilazan'i Jesoa izany rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin'ny fanoharana, mba ho tanteraka ny tenin'ny mpaminany manao hoe : Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin'ny nanaovana an'izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...