Ary tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia lasa marainakoa mbola maizina nankany amin'ny fasana Madelena, ka nahita fa voaesotra tamin'ny fasana ny vato. Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan'i Jesoa, ka nanao tamin'ireo hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany azy.

Fa Maria kosa nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana. Ary teo am-pitomaniana, dia niondrika nitsirika ny tao anaty fasana izy, ka nahita anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin'izay nipetrahan'ny vatan'i Jesoa, ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra. Dia hoy izy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana no mitomany hianao? Ka hoy izy namaly ireo: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany azy. Nony avy nilaza izany izy dia nitodika, ka nahita an'i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe Jesoa io. Ary hoy Jesoa taminy: Ravehivavy, nahoana no mitomany hianao? Iza no tadiavinao? Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy: Raha hianao re no naka azy, Tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao azy, hangalako azy. Dia hoy Jesoa taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe: Rabony! (izany hoe Mpampianatra). Aza mikasika ahy, hoy Jesoa taminy, fa mbola tsy niakatra tany amin'ny ray aho, fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny rainareo aho, ary any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo. Dia lasa Maria Madelena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...