Tamin’izany andro izany, nony nitodika i Piera, dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan’i Jesoa izay niankina tamin’ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe: "Tompoko, iza no hamadika Anao?" Ary nony nahita azy i Piera dia hoy izy tamin’i Jesoa: "Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran’itý?" Dia hoy i Jesoa taminy: "Raha tiako hitoetra izy mandrapiaviko, mampaninona anao izany? Fa manaraha Ahy ianao." Dia niely tamin’ny rahalahy fa hoe tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa i Jesoa tsy nilaza hoe tsy ho faty izy, fa hoe: Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, mampaninona anao izany? Izy no ilay mpianatra manambara izany sy nanoratra azy, ary fantatsika fa marina ny filazany. Maro koa ny zavatra hafa nataon’i Jesoa, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...