Tamin’izany andro izany, nony avy nisakafo niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa, dia nanao tamin’i Simôna Piera hoe: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?" Ka hoy ny navaliny Azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao." Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko." Ary hoy indray Izy taminy fanindroany: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy va ianao?" Ka hoy ny navaliny Azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao." Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko." Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy va ianao?" Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: "Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao." Dia hoy Izy taminy: "Fahano àry ny reniondriko. Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora ianao dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rahefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao."
Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra. Ary rahefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe: "Manaraha Ahy."