Tamin’izany andro izany, ny mpianatr’i Jesoa nanao taminy hoe: "Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory. Fantatray amin’izao fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy mila hanontanian’olona: izany no inoanay fa avy amin’Andriamanitra Ianao." I Jesoa namaly azy hoe: "Mino ange ianareo ankehitriny? Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza, izay hielezanareo samy ho any amin’izay halehany avy, sy handaozanareo Ahy ho irery; nefa tsy irery Aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray. Izaho no nilaza izany taminareo, dia ny mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho."

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...