Nony henemana sisa tsy hahatongavan’ny Paka, dia tonga tany Betania i Jesoa, tany amin’izay nitoeran’i Lazara, ilay natsangan’i Jesoa ho velona. Nanaovan’ny tao nahandro Izy, ka i Marta nampihinana, i Lazara isan’izay niara-nihinana taminy. Ary i Maria kosa naka diloilo manitra sarobidy lanjàna iray livatra natao tamin’ny salohin’ny narda, dia nanosotra ny tongotr’i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ka nandraraka eran’ny trano ny hanitry ny diloilo. Tamin’izay, hoy i Jodasy Iskariôta, anankiray tamin’ny mpianany, ilay efa hamadika Azy, hoe: "Tsy naleo re namidy denie telonjato iny diloilo manitra iny ka nomena ny mahantra?" Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany an’izany, fa noho izy mpangalatra sy mpitana ny kitapom-bola, ary nifetsy izay nalatsaka tao anatiny. Ka hoy i Jesoa taminy: "Avelao izy hanao, fa nitahiry izany ho amin’ny andro handevenana Ahy. Fa ny mahantra dia hisy mandrakariva eto aminareo, ary Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo lalandava." Maro tamin’ny Jody no nahare hoe tao Betania i Jesoa, ka tonga tao tsy noho i Jesoa ihany fa mba hahita an’i Lazara ilay natsangany ho velona koa. Fa i Lazara koa dia efa notetehin’ny lehiben’ny mpisorona hovonoina, satria noho izy, dia maro ny olona niala tamin’ny Jody ka nino an’i Jesoa.

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...