Tamin’izany andro izany, maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy i Marta sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino Azy. Fa ny sasany tamin’izy ireo kosa dia lasa nankany amin’ny Farisianina, ka nilaza taminy izay nataon’i Jesoa. Dia namory ny mpanolo-tsaina ny lehiben’ny mpisorona sy ny Farisianina ka nanao hoe: "Inona itý ataontsika, fa manao fahagagana maro iny Lehilahy iny? Raha avelantsika hanao ihany Izy, dia hino Azy ny olona rehetra, ka ho avy ny Rômanina dia haka ny tanànantsika sy ny firenentsika." Dia hoy ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Kaifa, izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany fotoana izany: "Tsy mahalala na inona na inona ianareo, na tsy mihevitra akory fa tsara ho anareo raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray, mba tsy ho rava ny firenena manontolo." Tsy avy aminy anefa no itenenany an’izany, fa noho izy lehiben’ny mpisorona tamin’izay taona izay, dia naminany izy fa ho faty ho an’ny firenena i Jesoa, ary tsy ho an’ny firenena ihany, fa mba hamory ny zanak’Andriamanitra izay efa niely koa ho antokony iray. Hatramin’izany andro izany dia nikendry izay hahafaty Azy izy ireo. Koa tsy nandeha ampahibemaso tany amin’ny Jody intsony i Jesoa, fa niala teo nankany amin’ny tany akaikin’ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efrema, dia nitoetra tany Izy mbamin’ny mpianany. Efa akaiky ny Pakan’ny Jody tamin’izay, ka maro ny olona avy tamin’izany tany izany no niakatra tany Jerosalema alohan’ny Paka, mba handio tena. Dia nitady an’i Jesoa izy ireo ka nifampilaza tao anatin’ny tempoly hoe: "Ahoana no hevitrareo, dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve Izy?"