Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina nanao hoe: "Handeha Aho ka hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha." Dia hoy ny Jody: "Hamono tena angaha Izy no manao hoe: izay alehako tsy azonareo aleha?" Fa hoy Izy tamin’izy ireo: "Ianareo avy etý an-tany, Izaho avy any an-danitra; ianareo olon’izao tontolo izao; Izaho tsy mba olon’izao tontolo izao. Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; satria raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo." Dia hoy ry zareo taminy: "Iza moa Ianao?" Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Izay lazaiko aminareo indrindra. Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho; fa marina Ilay naniraka Ahy, ary izay efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao." Tsy nahalala izy ireo fa ny Ray no nolazainy taminy. Ka hoy i Jesoa taminy: "Rahefa voasandratrareo ny Zanak’Olona vao ho fantatrareo fa Izaho no Izy, sady tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa izay nampianarin’ny Ray Ahy no lazaiko. Ary Izay naniraka Ahy dia eto amiko, fa tsy navelany ho irery Aho, satria manao izay tiany mandrakariva." Tamin’Izy niteny izany, dia maro no nino Azy.