Tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira, ary namaky ny faritanin’i Sidôna ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapaoly. Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tanana. Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy, ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany. Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra Izy, sady nisento ary nanao taminy hoe : "Efeta, izany hoe, misokafa." Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy, ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza ; fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza ; sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe : "Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana."