Indray sabata, raha tonga tao an-tanànan’i Kafarnaôma i Jesoa sy ireo nanara-dia Azy, dia niditra tao amin’ny sinagôga, ary nampianatra azy ireo Izy. Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna. Ary tao amin’ny sinagôgany, dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy nanao hoe: "Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va Ianao ? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra". Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe : "Mangina, ary mivoaha amin’io lehilahy io". Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy. Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe : "Inona itý ? Fampianarana vaovao inona re itý ? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy". Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.

[Miara-dàlana] Zoma 31 jolay 2026

• Tonga ao amin'ny Diosezin'Ambanja ny relikan'i Masindahy François d'Assise... • Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny “Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitentiaire” (ACAP) eto Madagasikara... • Mamarana ny fankalazana ny faha-100 taona nahatongavany teto Madagasikara ny Fikambanana Trinitera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...