Tamin’izany andro izany, nanatona hihaino an’i Jesoa ny Poblikanina sy ny mpanota, ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy". Dia nilaza ity fanoharana ity taminy i Jesoa nanao hoe: "Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very’. Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana. Sa iza no vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano, ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very’. Toy izany koa: lazaiko aminareo fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka".
Hoy koa Izy: "Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, ka hoy ilay zandriny tamin-drainy: ‘Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy’. Dia nozarainy tamin’izy roa lahy ny fananany. Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy. Rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra dia nisy mosary lehibe tamin’izany tany izany ka nahantra izy. Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany anankiray tany, ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha. Naniry hivoky amin’ny hodi-boan-javatra nohanin’ny kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy. Izay vao nody ny sainy ka hoy izy: ‘Firifiry akory moa ny mpikaraman’i dada no manan-kanina be, nefa izaho kosa ity maty noana aty! Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny mpikaramanao re aho’. Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. Dia hoy ity zanany taminy: ‘Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina ho zanakao intsony’. Fa hoy ny rainy tamin’ny mpanompony: ‘Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony, ary ento ny zanak’omby matavy ka vonoy, dia aoka hihinana sy hifaly isika, fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray’.
Dia nifaly izy rehetra. Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahy matoa tamin’izay. Nony nody izy sy mby teo akaikin’ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy, ka niantso ankizilahy anankiray sy nanontany azy izay anton’izany. Dia hoy ilay mpanompo taminy: ‘Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak’omby matavy irainao, satria tafaverina soa aman-tsara izy’. Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra ary nivoaka irainy hampandroso azy. Fa hoy ny navaliny an-drainy: ‘Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao akory aho, nefa tsy mbola mba nomenao zanak’osy iray akory hifaliako amin’ny sakaizako; fa nony tonga kosa io zanakao io izay avy nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia namonoanao zanak’omby matavy izy’. Fa hoy rainy taminy: ‘Ianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva ka anao avokoa izay rehetra ananako; fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niatrana nijery an’ireo mpianany, ka nanao hoe: "Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo. Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’Olona. Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.
Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo. Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo. Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo: Loza ho anareo raha hataon’ny olona tsara laza ianareo, fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka."
Indray sabata, i Jesoa niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray. Nony hitan’i Jesoa ny hamaizan’ny olona nasaina naka ny fitoerana voalohany, dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo Izy: "Raha asaina amin’ny fampakaram-bady ianao, aza mipetraka amin’ny fitoerana voalohany, fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho ianao, ka ho avy izay nanasa anao sy izy, hilaza aminao hoe: ‘Omeo an’ity ny fitoeranao’, ary amin’izay ho menatra ianao hifindra ary amin’ny fitoerana farany. Fa raha asaina ianao, dia any amin’ny fitoerana farany mipetraka, ka raha tonga izay nanasa anao, dia hilaza aminao hoe: ‘Mandrosoa, ry sakaiza, etsy alohaloha kokoa’; amin’izay dia hahazo voninahitra eo imason’izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao. Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe: "Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela. Ry mpitari-dalana jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo! Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahonònana. Ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia mba ho madio koa ny vohony."
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco