Nandritra ny volana novambra lasa teo dia niompana tamin’ny fankalazana ny famaranana ny taom-pikatrohana 2019 ny ankohonam-piainana aty Guatemala, eny amin’ny sampan’asa rehetra hiandraiketany.

Tao anatin’izany no nahafahanay nanao sorom-pisaorana tao amin’ny Oratorio, miaraka amin’ireo mpikambana sy ny tompon’andraikitra ao aminy ; ho fisaorana ireo mpiara-miasa sy mpanao soa ny fikambanana salezianina ary ireo tompon’andraikitry ny fanabeazana, ny vaomieran’asa pastoraly sy ny fitantanana ny sekoly “Collegio salesiano Don Bosco de Guatemala”.

Mety hilaza amiko ianareo hoe: “Manao ahoana kosa indray ny fifandraisana amin’ny tanora?” An-kafaliana no ilazako fa mandeha tsara araka ny tokony ho izy ireo hetsika hatao ivelan’ny sekoly sy ny fihaonan’ireo vovonan’ny tanora fanao mahazatra. Raha hatao bango tokana dia hoe: velona mandrakariva ny pastoralin’ny tanora. Ny ankohonam-piainana ety an-toerana ihany koa dia mandray sy mikarakara hetsika sy fandaharan’asa maroloko ho an’ireo tanora izay hiantefan’ny asa iraka nankinina taminay. Nankalaza ny sakramentan’ny fankaherezana ihany koa izahay ho an’ireo tanora ao amin’ny paroasy ary nanome fiofanana ho an’ireo tompon’andraikitra sy mpanentana ao amin’ny vondrona sy fikambanana samihafa ao amin’ny paroasy  izay nosafidianana ny lohahevitra hoe: ”No son ustedes los que me han elegido, soy yo quien los ha elegido”, izay azo hadika hoe: “tsy ianareo no nifidy ahy fa izaho no nifidy anareo”.

Ireo olona voatanisa teo ambony ireo dia tsy iza akory fa ireo: ACOLITOS (na mpiservy); MA (Missionarios del Alegria na Missioneran’ny hafaliana); JUVES, JDB (Jovenes Don Bosco na Tanoran’i Don Bosco) ary SDA (Sociedad del Alegria na Fikambanan’ny hafaliana). Ireo vondrona sy fikambanana ireo ihany koa dia mihaona matetika amin’ny fotoana voarindra. Tsy mifarana ny asa sahanin’izy tsirairay avy ireo raha tsy amin’ny faran’ny volana desambra, ka amin’izao fotoana izao, ireo ACOLITOS dia ao anatin’ny fanomanana fanehoana an-tsehatra ny nahaterahan’ny Mpamonjy amin’ny 21 desambra ho avy izao.

Tsara ny manamarika fa ny fidirana akademika dia amin’ny 03 janoary 2020 ho avy izao. Na dia izany aza dia tsy tena hoe miala sasatra tanteraka aho satria manaraka fianarana ny fiteny espaniola isan’andro. Izaho miaraka amin’ireo rahalahiko misionera mitovy amiko moa dia samy manaraka an’ilay fampianarana ao amin’ny “Académie Européenne de langues” mandritra ny telo volana avokoa. Fa mandrity fotoana tsy hiasana kosa dia manana fotoana malalaka izahay hidirana tsikelikely amin’ny fiainam-pirahalahina sy ny asa salezianina, ny fiainan’ny firenena sy ny kolontsaina ao aminy.

HASTA PRONTA !... Mandram-pihaona,

 Nandika tamin'ny fiteny malagasy: Randriamanampisoa F. Sitraka

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...