Vakiteny voalohany

Boky Deterônômy (Det. 20, 4-10)

“Niaiky ny finoany ilay vahoaka voafidy”.

Hoy i Môizy tamin’ny vahoaka:

Horaisin’ny mpisorona ny sobika eny an-tananao,
ka hapetrany eo anoloan’ny ôtelin’ny Tompo Andriamanitrao.

Ary hiteny eo anatrehan’ny Tompo Andriamanitrao ianao ka hanao hoe:

Ny raiko dia Arameanina efa saika maty;
nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany;
tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro.
Mafy ny nitondran’ny Ejipsianina antsika, fa sady nampahory antsika izy,
no nampanao fanompoana mavesatra antsika.

Koa nitaraina tamin’ny Tompo Andriamanitry ny razantsika isika,
dia nohenoin’ny Tompo ny feontsika, nojereny ny fijaliantsika,
sy ny fahantrantsika ary ny fampahoriana antsika,
ka tanana mahery, sandry ahinjitra,
fangorohoroana lehibe ary famantarana amam-pahagagana,
no namoahan’ny Tompo antsika avy tany Ejipta.
Nitondra antsika ho amin’ity toerana ity Izy,
ary nanome antsika an’ity tany ity,
dia tany tondra-dronono sy tantely.
Koa ankehitriny, ry Tompo,
inty aho mitondra ny santatry ny vokatry ny tany efa nomenao ahy.
Dia hapetrakao eo anoloan’ny Tompo Andriamanitrao izany,
ka hiankohoka eo anatrehan’ny Tompo Andriamanitrao ianao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 90, 1-2. 10-11. 12-13. 14-15

Ombao aho, ry Tompo, amin’ny androm-pahoriako.

Monina ao amin’ny efitry ny Avo
sy mitoetra amin’ny alok’ilay Mahery
ny olona manao hoe:
“Ny Tompo no mandako,
Andriamanitro, aroko sy tokiko!”

Ny anao, ny Tompo no ifefena,
ilay Avo no ialofana:
koa tsy tratran’ny antambo ny tena,
tsy akekezin’ny loza ny fonenana.

Ny Anjeliny nomeny baiko ny aminao
hiaro amin’ny lalana rehetra:
ka ireo dia hitrotro,
ndrao ny tongotra tafintohina;
ny bibidia, ny menarana diavina;
ny vanto-diona sy dragona hitsahina.

Miraikitra amiko izy, ka vonjeko;
mahalala ny Anarako, dia arovako:
raha miantso, valiako;
raha ory, tsy ilaozako.
Eny, izaho manafaka azy,
mandray amin’ny fanasàko.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 10, 8-13)

Raha mino an’i Kristy ho Tompo ianao dia ho voavonjy.

Ry kristianina havana: hoy ny voalazan’ny Soratra Masina:
Eo akaikinao ny Teniny fa eo am-bavanao sy ao am-ponao,
dia ny teny finoana izay torìnay.
Ka raha manaiky amin’ny vavanao ianao fa i Jesoa no Tompo,
sy mino amin’ny fonao fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona,
dia ho voavonjy ianao.
Satria ny finoana amin’ny fo no ahazoana fahamarinana;
ary ny fanekena amin’ny vava no ahazoana famonjena,
araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe:
Izay mino Azy tsy mba ho menatra.
Tsy misy hafa na Jody na Jentily;
satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra,
manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy;
fa izay rehetra hiantso ny Anaran’ny Tompo no hovonjena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 1-13)

Nentin’ny Fanahy tany an’efitra Izy, ary nalaina fanahy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia feno ny Fanahy Masina
ary niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro,
sady nalain’ny devoly fanahy Izy,
no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany;
ka noana nony tapitra izany.
Dia hoy ny devoly taminy:

“Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, asaovy tonga mofo io vato io”.

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Efa voasoratra hoe:
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra”.

Dia nentin’ny devoly niakatra tany amin’ny tendrombohitra avo anankiray Izy,
ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao,
ary hoy izy taminy:

“Homeko Anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny,
satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa.
Koa izao àry: raha mitsaoka ahy Ianao, dia ho Anao avokoa izy”.

Fa izao no navalin’i Jesoa azy:

“Efa voasoratra hoe:
Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao,
ary Izy irery ihany no hotompoinao”.

Dia nentiny tany Jerosalema indray Izy,
ka napetrany teo an-tampon’ny Tempoly, ary nilazany hoe:

“Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any;
fa efa voasoratra hoe:
Nomeny didy hiambina Anao ny Anjeliny,
ary hitondra Anao eo an-tanany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao”.

Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Efa voasoratra hoe:
Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao”.

Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly,
dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...