Vakiteny voalohany
Boky Jenezy (Jen. 22, 1-2. 9a. 10-13. 15-18)
Sorona nataon’i Abrama, Patriarka,
Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nizaha toetra an’i Abrama ka nanao taminy hoe:
“Ry Abrama ô!”
Ary hoy izy:
“Inty aho”.
Dia hoy Andriamanitra:
“Ento ny zanakao,
ilay lahy tokanao, ilay tianao, dia i Isaaka,
ka mankanesa any amin’ny tany Môrià,
ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana
eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao”.
Nony tonga teo amin’ny fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy,
dia naorin’i Abrama teo ny ôtely.
Dia naninjitra ny tanany i Abrama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany.
Tamin’izay, niantso tany an-danitra ny Anjelin’ny Tompo nanao hoe:
“Ry Abrama! ry Abrama ô!”
hoy ny navaliny:
“Inty aho”.
Dia hoy ny Anjely:
“Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory,
fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao,
sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao ho Ahy”.
Ary nanopy maso i Abrama ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony,
voasaringotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony;
dia lasa i Abrama naka ilay ondralahy,
ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.
Ary ny Anjelin’ny Tompo niantso an’i Abrama fanindroany tany an-danitra, ka nanao hoe:
“Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho, hoy ny Tompo,
noho ianao nanao izany sy tsy nandà, fa nahafoy ny zanakao,
ilay lahy tokanao, ho Ahy dia hanisy soa anao Aho,
hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra
sy ny fasika eny amoron-dranomasina,
ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena ambonin’ny tany,
satria nanaiky ny teniko ianao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 115, 10 sy 15. 16-17. 18-19
Hizotra eo anatrehan’ny Tompo aho ho any amin’ny tanin’ny velona.
Inona no havaliko ny Tompo
amin’ny soa rehetra nataony ahy?
Handray ny kapoakam-pandresena aho
sady hiantso ny Anaran’ny Tompo.
Tsy sitraky ny Tompo velively
ny ahafatesan’ny sakaizany.
Mpanomponao aho, ry Tompo: eny, mpanomponao tokoa;
zanaky ny ankizy vavinao aho, ka nalanao fatorana.
Koa mitondra fanati-pisaorana aho
sy miantso ny Anaran’ny Tompo,
manefa ny voadiko tamin’ny Tompo
atrehin’ny vahoakany tontolo.
Vakiteny faharoa
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 31b-34)
Andriamanitra tsy nandala ny tena Zanany.
Ry kristianina havana,
raha Andriamanitra no momba antsika,
iza no hahatohitra antsika?
Izy tsy nandala ny tena Zanany,
fa nahafoy Azy ho antsika rehetra,
ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa, miaraka aminy?
Iza no hiampanga izay voafidin’Andriamanitra?
Andriamanitra no manamarina azy,
ka zovy no hanameloka?
Moa i Kristy va, ilay efa maty fa nitsangan-ko velona
sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Dera anie ho Anao, ry Kristy, Mpanjakanay rehetra, mitenena, Tompo ô, hamelona, hanazava.
Tao anatin’ny rahona mamirapiratra, no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy.
Dera anie ho Anao, ry Kristy, Mpanjakanay rehetra, mitenena, Tompo ô, hamelona, hanazava.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 1-9)
Ity no Zanako malalako indrindra.
Tamin’izany andro izany,
nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany
ka nentiny nitokana tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray,
dia niova tarehy teo anatrehany Izy.
Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany,
ka tsy misy mpanasa lamba, mahadio lamba toy izany ety an-tany.
Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa.
Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra aty;
aoka hanao lay telo izahay,
ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia”.
Fa tsy fantany izay nolazainy,
satria raiki-tahotra loatra izy ireo.
Tamin’izay dia nisy rahona nanarona Azy;
ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe:
“Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy”.
Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo,
nefa tsy nahita olona intsony,
fa i Jesoa irery sisa teo aminy.
Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo,
dia noraràny tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany,
mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona.
Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany,
sady nifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe:
mitsangan-ko velona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.