Vakiteny voalohany
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 42, 1-7))
Tsy hiantso mafy izy na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalam-be.
Izao no lazain’ny Tompo:
“Indro ny mpanompoko izay tantanako,
Ilay voafidiko ka sitraky ny foko,
napetrako ao aminy ny fanahiko;
hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena Izy.
Tsy hiantso mafy Izy, na hanandra-peo
na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalam-be.
Ny volotara efa poritra, tsy hotapahiny;
ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny.
Hanambara ny rariny, araka ny marina Izy;
tsy ho ketraka Izy na ho kivy akory,
mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany;
ary ny nosy hiandry ny lalàny.”
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra
izay nahary ny lanitra sy namelatra azy,
izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy,
izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy,
sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo:
“Izaho, Tompo, no niantso anao, tamin’ny fahamarinana,
sy nandray tanana anao, miaro anao Aho,
ary manao anao ho fanekem-pihavanana ho an’ny vahoakako
sy fahazavan’ny firenena,
hampahiratra ny mason’ny jamba,
hamoaka ny mifatotra ao an-tranomaizina,
sy ireo mipetraka ao amin’ny haizina ao amin’ny fonja.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo (Sal. 26, 1. 2. 3. 13-14)
Ny Tompo no faniloko sy vonjiko.
Ny Tompo no fanilo sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?
Raha mirohotra avy any ny mpisompatra
mba handrapaka ny nofoko,
dia ireo rafilahy sy fahavaloko,
izy no hivena sy hiankarapoka!
Raha tafika no mitoby hiady amiko,
tsy miraika ny foko;
raha andiany no mirongatra hamely,
matoky hatrany aho!
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny tanin’ny velona!
Mahandrasa ny Tompo, marisiha!
Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo.
Evanjely
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 1-11)
Avelao izy, fa mitahiry izany ho amin’ny andro handevenana Ahy.
Nony henemana sisa tsy hahatongavan’ny Paka,
dia tonga tany Betania i Jesoa,
tany amin’izay nitoeran’i Lazara,
ilay natsangan’i Jesoa ho velona.
Nanaovan’ny tao nahandro Izy, ka i Marta nampihinana,
i Lazara isan’izay niara-nihinana taminy.
Ary i Maria kosa naka diloilo manitra sarobidy
lanjàna iray livatra natao tamin’ny salohin’ny narda,
dia nanosotra ny tongotr’i Jesoa
sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany,
ka nandraraka eran’ny trano ny hanitry ny diloilo.
Tamin’izay, hoy i Jodasy Iskariôta, anankiray tamin’ny mpianany,
ilay efa hamadika Azy, hoe:
“Tsy naleo re namidy denie telonjato iny diloilo manitra iny
ka nomena ny mahantra?”
Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany an’izany,
fa noho izy mpangalatra sy mpitana ny kitapom-bola,
ary nifetsy izay nalatsaka tao anatiny.
Ka hoy i Jesoa taminy:
“Avelao izy hanao,
fa nitahiry izany ho amin’ny andro handevenana Ahy.
Fa ny mahantra dia hisy mandrakariva eto aminareo,
ary Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo lalandava.”
Maro tamin’ny Jody no nahare hoe tao Betania i Jesoa,
ka tonga tao tsy noho i Jesoa ihany
fa mba hahita an’i Lazara ilay natsangany ho velona koa.
Fa i Lazara koa dia efa notetehin’ny lehiben’ny mpisorona hovonoina,
satria noho izy,
dia maro ny olona niala tamin’ny Jody ka nino an’i Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.