Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 2, 7-9 ; 3, 1-7)

Nanota ireo Ray aman-drenintsika voalohany noharîn’Andriamanitra.

Vovo-tany no nanaovan’ny Tompo Andriamanitra ny olombelona,
dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony,
ka tonga zava-manana aina ny olona.
Ary ny Tompo Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana,
ka napetrany tao ny olona izay noforoniny.
Ary nampanirìn’ny Tompo Andriamanitra tamin’ny tany,
izao hazo rehetra mahate hijery sady fihinana isan-karazany izao
sy ny hazon’ny aina tao afovoan’ny saha,
ary ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.

Ny bibilava no fetsy indrindra amin’ny biby rehetra eny an-tsaha
izay nataon’ny Tompo Andriamanitra.
Hoy izy tamin-dravehivavy:

“Hay va re Andriamanitra nanao hoe:
Aza mihinana amin’ny hazo rehetra amin’ny saha ianareo?”

Hoy ny navalin-dravehivavy ny bibilava:

“Mihinana amin’ny voan’ny hazo amin’ny saha izahay;
fa ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha no nanaovan’Andriamanitra taminay hoe:
‘Aza mihinana amin’izany ary aza mikasika izany akory, fandrao maty ianareo’”.

Dia hoy ny bibilava tamin-dravehivavy:

“Tsia, tsy ho faty akory ianareo;
fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo izany,
dia hisokatra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo,
mahalala ny tsara sy ny ratsy”.

Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana,
mahate hijery sy mendrika hoirìna mba hahazoana fahiratan-tsaina;
nioty tamin’ny voany izy,
dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy.
Nisokatra ny mason’izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy;
ka nanjaitra ravin’aviavy izy ireo nataony sikina.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 50, 3-4. 5-6a. 12-13. 14 sy 17)

Iantrao aho, ry Tompo, araka ny hatsaram-ponao.

Iantrao aho, ry Andriamanitra ô, fa tsara fo Ianao;
koseho re ny heloko, fa be indrafo Ianao.
Sasao tanteraka amin’ny otako aho,
diovy tokoa amin’ny hadisoako.

Eny, miaiky heloka aho:
tsaroako lalandava ny otako.
Ianao irery tokoa no nanotako;
ny ratsy imasonao no nataoko.

Amoròny fo madio aho, ry Andriamanitra ô,
fanahy vaovao araikitra ato anatiko.
Aza esorina anoloanao aho;
ny Fanahinao Masina aza alàna amiko.

Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy;
fanahy mazoto ankaherezana ahy.
Tompo ô, sokafy ny molotro,
dia hidera anao ny vavako.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 12-19)

Noho ny halehiben’ny fahadisoana no nahazoana fanomezam-pahasoavana bebe kokoa.

Ry kristianina havana,
izao tontolo izao no nidiran’ny fahotana tamin’ny olona iray
sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana,
ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana,
satria nanota avokoa izy rehetra:
fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza,
saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna.
Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy,
na dia tamin’izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon’i Adama aza;
ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy.
Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana;
fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra,
mainka fa ny fahasoavan’ny Olona iray, dia i Jesoa Kristy,
no nandraisan’ny olona rehetra bebe kokoa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.
Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana;
satria noho ny ota anankiray no nisian’ny fitsarana ho fanamelohana;
fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian’ny fahasoavana ho fanamarinana.

Ary raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana
noho ny nataon’io anankiray io,
mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy
no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana
amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana.
Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray
no nahatongavan’ny fahamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa
noho ny fahamarinana iray.
Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray
no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny Olona iray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 17-19)

Noho ny halehiben’ny fahadisoana no nahazoana fanomezam-pahasoavana bebe kokoa.

Ry kristianina havana,
izao tontolo izao no nidiran’ny fahotana tamin’ny olona iray
sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana,
ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana,
satria nanota avokoa izy rehetra:

Ary raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana
noho ny nataon’io anankiray io,
mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy
no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana
amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana.
Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray
no nahatongavan’ny fahamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa
noho ny fahamarinana iray.
Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray
no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny Olona iray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy tenin’Andriamanitra!

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy tenin’Andriamanitra!

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 4, 1-11)

Nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina i Jesoa ary nalain’ny devoly fanahy.

Tamin’izany andro izany,
dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra i Jesoa mba halain’ny devoly fanahy;
ary nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy,
ka noana nony afaka izany.
Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe:

“Raha Zanak’Andriamanitra Ianao,
ataovy tonga mofo ireto vato ireto”.

Fa namaly i Jesoa ka nanao hoe:

“Efa voasoratra hoe:
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”.

Tamin’izay dia nitondra Azy nankany amin’ny tanàna masina ny devoly
ka nametraka Azy teo an-tampon’ny Tempoly, dia nanao taminy hoe:

“Raha Zanak’Andriamanitra Ianao,
mianjerà any ambany any,
fa efa voasoratra hoe: Ny Anjeliny no nametrahany Anao,
ary izy ireo hitondra Anao eo an-tanany
fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao”.

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Efa voasoratra koa fa:
Tsy haka Fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao”.

Dia nentin’ny devoly nankany ambonin’ny tendrombohitra avo dia avo indray Izy,
ka nasehony Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny,
ary hoy izy taminy:

“Homeko Anao izao rehetra izao,
raha miankohoka hivavaka amiko Ianao”.

Fa izao no navalin’i Jesoa azy:

“Mandehana, ry Satana,
fa efa voasoratra hoe:
Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao,
ary Izy irery ihany no hotompoinao”.

Tamin’izay dia nandao Azy ny devoly
ary indreo nisy Anjely tonga teo aminy ka nanompo Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

 

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...